Fandrendrehana sy famoretana vahoaka sisa !

May ny endim-boanjo dia mihazakazaka manao propagandy


  • Alakamisy 16 Mey 2024

ankolaka hatramin’ny filoham-pirenena mba hampandaniana ny kandida volombosary.

Atao fitaovana ny fahefam-panjakana, ny volam-panjakana, fananam-panjakana,… satria ireo zavatra zaraina ohatra, dia tsy volan’ny TGV na IRMAR fa volam-panjakana. Atao ireny mba hanakonana ny tsy fahombiazana sy hampanadinoana vetivety ny tsy fahombiazan’ny mpitondra. Mandeha hatramin’ny endri-javatra toa sanatria hanarinariana dia ny vahoaka, raha tsy hilaza afatsy ny didy 10 taona an-terivozona sy onitra 2,5 miliara Ar avy an’ireo Tale Jeneralin’ny Jirama roalahy teo aloha. Ingahy Vonjy Andriamanga izay minisitra tao anatin’ny fitondrana Rajoelina sy Atoa Rivo Radanielina izay olona notendren’ny fitondrana dia nisitraka 144 tapitrisa Ar sy 112 tapitrisa, ary efa 2 taona lasa no vaky ny afera koa nahoana no efa tafaporitsaka na nalefa nitsoaka any ivelany vao namoahana didy fampisamborana sy didy fanagadrana ? Marina fa tena tokony hatao izany kanefa lasa ny alika vao manangom-bato ! Dia io ihany koa fa hoe : nampodiana aty Madagasikara ireo roalahy tratra nitondra ny volamena 73kg mahery tany Afrika atsimo ny desambra 2021, saingy indrisy fa ny olona tonga, fa ny harena naman’ny very an-javony any. Dia tena miasa ve ny Fanjakana amin’izany ? Vaovao nanamarika ny 48ora lasa ireny, fa betsaka ny taratra maneho ny tsy fisian’ny Fanjakana tsara tantana, fahapotehan’ny firenena, fihemorana ara-toekarena,… Iny tsy nisorona iny eveka katolika, fa tapitra potika ny làlana, tena manjaka ny kolikoly, mitombe ny maro an’isa latsaka anaty fahantrana lalina,… Toa tsy maharototra ny mpitondra ireny, fa ny masaka ao an-dohan’izy ireo dia ahoana no hanamaroana sy hanamafisana ny seza miorina eo ambany fahoriam-bahoaka ? Ahoana no hanabadoana hatrany ny Malagasy afaha-manambaka azy sy mambotry ny harena eto ? Tsy te hahalala izay tsikera sy fampanenoana lakolosy mandeha any, ka ny ato anatiny tsy henoina sy tsy raharahiana, ny avy any ivelany atsangana ho fahavalo,… Asa mandra-pahoviana handaitra ny fandrendrehana sy famoretana ka hampisotroana ny rano tsy tiana ny Malagasy io ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT