Edito

Fandrendrehana lalina


  • Talata 01 Septambra 2020

Tsy fidiny, hoy ny mpandinika tontolon’ny fanahy nivahiny tamina fandaharana iray, izay ny mahazo ny mpitondra ity firenena ity fa tsy afaka ny hidifitra amina rafitra tokana kasaina ho apetraka maneran-tany izy ireo.

 

 Ekena tokoa ny fisiana rafitra iraisampirenena maro eto ambonin’ny tany toy ny firenena mikambana saingy ny fanontaniana mipetraka dia hoe efa ao anatin’izy daholo tokoa ve ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany? Efa ao anatin’ny vondrona afrikanina avokoa ve ny firenena afrikanina? Toy izany koa, ny eoropeanina ve efa samy ao anaty vondrona eoropeanina avokoa? Ary raha ny mikasika ireo firenena efa ao anatin’ireny vondrona ireny ihany koa, moa ve tena tsy misy mandroso sy afa-mihetsika tokoa? Fanontaniana natao ho sainin’ny rehetra lalina izany saingy andeha hiverina amin’ny raharaham-pirenentsika izay misy mitady hivoy fa ny fisiana rafitra manohitohina ny fitondrana amin’izao izay mitovitovy amin’izany ihany koa no sakana tsy hahafahany mampandroso. Toy izany ihany koa, hono, no nitranga tamin’ireo taloha rehetra. Dia inona izany no antony hilingilingiana hiakatra eo an-tendron’ny fitantanana ny firenena eo rehefa fantatra fa izany no zava-misy? Tao anatin’izay 60 taona izay isika no nahita ny vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny vahiny, hoy ny antoko politika iray izay, dia mbola tsy nisy nanam-piniavana ny hitady vahaolana amin’izany ihany ve? Tsy azo atao ve ny manova fomba fiaraha-miasa na manapaka fiaraha-miasa mihitsy rehefa hita fa tsy hitondra soa ho an’ny firenena sy ny vahoaka? Iaraha-mahita ankehitriny fa fanapahan-kevitra mitondra ho any amin’ny fandrendrehana lalina ny mpiray tanindrazana no raisin’ny mpitondra. Isany ny fampitrosana karama ao amin’ny CNaPS. Hatramin’ireo heverina ho pitsony toy ny fiavosan’ny faktioran-jiro sy rano kanefa ho vesatra tsy ho ela ho an’ny vahoaka. Ny hetra mitambatra vokatry ny fanemorana ny fandoavana izany ka hatramin’ny andavan’androm-piainana toy ny hofan-trano, saram-pianarana, saram-pidiran’ny mpianatra sy ny hafa izay azo antoka fa tsy ho mora amin’ireo ray aman-dreny sy olompirenena ny hiatrika ireny. Raha tsy very asa izany dia bokan-trosa Ramalagasy kanefa mitombo isa. Io izao dia misy ity fandrisihana ny olona hiompana amin’ny fambolena sy fiompiana ao Antsirabe ity koa fa hoe omena tany ary ho tompony afaka 5 taona raha miasa tsara eo. Inona no antoka fa tena afaka hiasa an-kalalahana eo amin’ireo tany ireo tantsaha mandra-pahatonga izay tany izay ary tsy hisy mahitahita hanodina ilay tany hoe omena azy? Sao lahy fandrendrehana fanampiny koa izy ity sanatria ?

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT