Mafimafy ihany ny kabary teny amin’ny Magro Behoririka omaly, indrindra fa ny nataon’Atoa Olivier Rakotovazaha, izay nanambara mazava fa tsy misy manaiky lembenana izany eto ary aoka tsy hifamitaka mihisy.Mbola tena misarika ny sain’ny maro moa ny fomba nidiran’Atoa Ravalomanana Marc teto Madagasikara, ny azo antoka 100% aloha dia fiaramanidina no nahatongavany teto, tsy misy adihevitra ny amin’iny.
Izay indray no mitarika fanontaniana iray hoe : dia tena tsy nahita sy tsy nahafantatra ny fidiran’io fiaramanidina io tamin’ny faritry ny habakabak’i Madagasikara mihitsy izany ve ny fitondram-panjakana malagasy, kanefa efa mba manana ny fitaovana harifomba ihany isika ? Taorian’ny adihevitra somary efa lava ihany anefa dia miha maro an’isa ny olona resy lahatra fa nahafantatra ny fahatongavan’Atoa Ravalomanana teto ny fitondram-panjakana, eny fa na dia vao niditra tao anaty fiaramanidina tany amin’izay faritra niaingany aza izy.Ka inona indray ary no mahatonga izao fihetsiketsehana, fanagadrana sy fisamborana atao izao ? Te hanadio tena ka hanilika ny rihitra any amin’ny hafa ve ny fitondram-panjakana Malagasy, sa te hampiseho fa matanjaka sy tompon’ny fahefana izy ? Sao lahy ka sinema hanadalana ny saim-bahoaka fotsiny ity hoe fanadihadiana atao momba ny fahatongavan’i Dada …Tena ny fahafantrana izany ve no laharampahamehana amin’izao olana mianjady amin’ny firenena izao ; nahoana no tsy sahy manapa-kevitra ny fanjakana ; roa ihany ny safidy : tsaraina Atoa Ravalomanana dia ho hita eo izay ho ambaran’ny fitsarana ; na avotsotra izy , avela hanao politika dia atomboka ilay fampihavanam-pirenena , dia any indray mifanazava ireo rehetra manana olana rehetra.Fandrebirebena saim-bahoaka ny resaka ankoatr’izay, ary paikady hampihemorana fotsiny ny fifanazavana sy ampamoaka goavana tokony atao eto amin’ny firenena mialoha ny hidirana amin’ny tena asa fampandrosoana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.