Fandrangitana sa fanabarabarana?

Betsaka ireo fihantsiana atao. Tsy namaly izany isika. Nangina isika. Nandefitra isika.


  • Alatsinainy 02 Oktobra 2023

Mandala ny fahendrena sy ny soatoavina maha malagasy isika. Misy anefa ny manosihosy sy manitsakitsaka izany fa

rehefa fanakorontanana ny firenena sy fikatsahana tombontsoa ho an’olom-bitsy kosa no tiana atao dia tsy maintsy mijoro aho. Misy ny fotoana hanginana sy hitenenana. Ry vahoaka Malagasy, ianareo namako; hitafa aminao aho amin'ny alahady izao amin’ny 8ora alina.” Izay no fehezanteniny tao amin’ny pejy an-tambazotran-tseraseran’ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina, tao nialoha iny fandaharana nataony omaly iny dia liana ianao mpanara-baovao? Inona avy izany fihantsiana izany? Ny fitakian’ireo sendika isan-tokony ny mba hisitrahana ara-dalàna ny zony ve sa ny fitakiana ny fanadiovana ny tontolom-pifidianana mba isian’ny atao hoe fifidianana mangarahara, tsy mitanila, eken’ny rehetra? Inona ilay fandeferana? Ilay fanakatsakanana ny fampidiran’ireo mpifanandrina politika ny angidimbiany tamin’ny fotoana tokony hahavoahaja ny fepetra ve dia aty amin’ny atomotra fampielezankevitra aty vao mody hoe atao malalaka satria tsy nisy naha voahaja fepetra ianareo? Dia hoe ferana ho 2 ihany no isan’ny azonareo ampidirina satria hanahirana ny fandraisana an-tanana ara-tekinika sy ny mankatsy sy ny mankaroa? Fa tsy afaka ny hanana ny tekinisianiny avy ve moa izany ireo kandida hijery ny fitaovany ary tsy ho tekinisianiny manokany koa ve no hitokisany noho ny hoe tekinisianina hafa avy any ivelany? Fandalàna soatoavina ve ireny filanjana vatapaty nisy soratra hoe “Veloma Rajao” tamin’ny 5 taona lasa ireny? Iza no tena nanosihosy sy nanitsakitsaka soatoavina teto? Iza no nahavita nanafina tamin’ny vahoakany fa efa nahazo zom-pirenena hafa izy nanomboka ny taona 2014? Fanajana soatoavina izany sa famadihana tanindrazana? Iza no nanankorontana nanomboka ny taona 2009? Fandrangitana sa fanabarabarana?
J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT