Edito

Fandoto iray tandroka !


  • Alarobia 28 Martsa 2018

Mitana ny sain’ny maro indray aloha amin’izao fotoana izao ny momba ny fipariahan’ny sarin’ny olom-boafidy iray nitanjaka tanteraka, ary afa-baraka tanteraka ny andrim-panjakana misy azy.


 Toa tsy dia hahenoana zavatra tsara sy maha velom-panantenana ny vahoaka mihitsy fa dia ny zava-doza sy manala baraka ary manaratsy endrika tanteraka hatrany no miseho. Ekena fa mety misy ihany ny toe-javatra tsara, saingy tonga amin’ilay fitenenana hoe tratry ny fandoto iray tandroka e ! Aiza ve ka miala amin’ny resaka malety, dia miditra ny resaka fanivaivana ny hafa ho fofon-kelika. Miala amin’ny fofon-kelika dia miverina malaza ny resaka malety, ary io indray ny zava-doza tsy fampiseho masoandro tsy nisy hatramin’ny nitsanganan’ny antenimiera angamba. Ny iray no manao ny ataony, saingy ny rehetra no miara-voahoso-potaka. Na izany na tsy izany anefa, dia efa matetika fomba fanao ihany koa ny miray hina amin’ny ratsy rehefa misy ny tombontsoa iaraha-mikatsaka, eny fa ireo mifanenjika toy ny sakay sy maso aza. Dia ny tena no menatra, hoy ny fomba fiteny satria toa miseho avokoa izao zava-dratsy tsy ampoizina rehetra izao. Toa efa tena tandra vadin-koditra tamin’ity fanjakana ity mihitsy ilay tsy maintsy manondrana kely foana na manao fahotana mahafaty mihitsy amin’ny fitantanana ny firenena. Tsy atao mahagaga ny fitenintenenam-poana sy ny fampanantenana poakaty, fa toa manondrana avokoa ny rehetra. Manomboka any amin’ny faratampony rahateo ny ohatra ratsy, ka tsy atao mahagaga intsony ity laza ratsy mitombo andro aman’alina io.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT