Edito

Fandoto iray tandroka…


  • Talata 27 Jona 2017

Ny volana jolay 2016 no hita voalohany tetsy amin’ny hotely Panorama Andrainarivo ny Dinika ho Fanavotam-Pirenena (DFP). Ankolafin-kery mpanohitra maro no tafavory teny an-toerana tamin’io fotoana io ary anisan’ny nampivondrona ny raharaha Soamahamanina.

Vinavinan’ny mpanara-baovao tamin’ireny moa ny hoe ny foloalindahy sisa no mitana ny fitondrana eo amin’ny toerany satria dia herinandro taorian’izay dia sahy nilaza mihitsy ny filohan’ity vovonana ity fa hiafara amin’ny fanonganam-panjakana ny hetsika raha mitohy ny tsy firaharahiana vahoaka. Amin’izao fotoana dia niitatra ilay vovonana ka teraka ny “Herin’ny Fanovana” saingy mbola samy miandry ny fiovana aloha ny rehetra hatreto. Ny mahagaga dia isaky ny hita ho miha matanjaka ny hetsika tahaka itony dia misy olom-baovao tazana miditra tampoka hatrany ary dia mampihena ny herin’ilay hetsika na tolona politika io na tolona sendikaly. Nahitana izany, ohatra, ny hetsika Mitsangana ry Malagasy (MMM) ary ny mahagaga dia ireo tazana ho nampijoko ireo tolona efa nisy hatrany no miditra tampoka amin’ireo tolona miha matanjaka vaovao. Fandoto iray tandroka ve sa…?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT