Edito

Fandemen-tsaina sy fampisaraham-bazana


  • Alatsinainy 12 Novambra 2018

Raikitra ny fandemen-tsaina isan-karazany ataon’ny kandida iray sy ny mpomba azy fa efa azon’izy ireo, hono, ny fandresena amin’ity fifidianana ity.

 

Tsikaritra ho nandihy tsy afa-tavony ary nezahina novoizina tamin’ny haino aman-jery fa efa azo, hono, ny amboara ! Tsy hisy hanaiky lemena ara-tsaina tahaka izany eto ! Miandry am-pahendrena ny Malagasy ary maniry ny mangarahara fa sao mitetika ny ho fetsy sy mihevitra ny vahoaka ho bado eto. Toa misy zavatra hafahafa sy mifampidipiditra mantsy momba ity fifidianana ity. “ Toy ny vero notengenam-pody ka tsy folaka fa milefitra” ny vahoaka, mba hitandroana ny soatoavina Malagasy. Tsy tokony hohararaotina amin’izany anefa. Rehefa ireo anie no mitroatra hiaro ny safidiny sy hanohitra ny tsy rariny ka tsy ho tana e ! Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa. Ny hirariana dia mba hisian’ny lalao madio sy mangarahara dia hilamina ny tany. Efa nabaribarin’ny vahiny aloha izao iny ny fizaram-bola be nataon’ilay kandida iray. Izany ve no mampidingin-drambo ireto mpiara-dia  efa toa manantena fa nahomby ny fomba maloto ? Hanaiky mora ny mety ho faharesena ve raha mandresy ny tena safidim-bahoaka madio ? Dia hisy hitsangana hijoro indray izao any ho any hanangam-bovona hoe: efa niomana anie izy e ! Volany izany e ! Fa ny fitantanana ny firenena ve atao toy loka e ? Hanavotra tanindrazana tokoa no tanjona sa hamarotra ? Io voizina io koa ny adim-poko, fanavakavaham-bolokoditra, fampisaraham-bazana ny Malagasy. Olona mahay mampiray ny Malagasy anefa no ilaina hitondra ny tany sy ny firenena fa tsy sanatria hivoy adim-poko sy fifandrafesana. Tsy hay aloha na mba voafehin’iny olona te ho filoha mafy iny ireo mpiara-dia aminy mampiady ny mpiray tanindrazana na efa tena tetika hanomanana ny famotehana fanindroany ny firenena indray izao ? Tahaka izao mantsy ny teti-dratsy nampiasaina 9 taona lasa izay.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT