Edito

Fandemen-tsaina lava


  • Alatsinainy 18 Jolay 2022

Mizotra mankany mankany amin’ny fahasahiranana ny firenena Malagasy. Samy mametra-panontaniana ny rehetra hoe: rahoviana vao hisy masoandro mihiratra ?

Rahoviana vao hisy vahaolana mahomby? Tsy manana antoka sy fanantenana firy, ary toa tezaina amin’ny fandemen-tsaina manara-penitra hanaiky fa izao no mety, miezaka ny Fanjakana, mbola ratsy noho izao raha ny hafa no nitantana teo,… Ezahina alentika ao an-tsain’ny olom-pirenena fa vao mainka ho krizy raha mitroatra eo indray. Ny fihetsiky ny manam-pahefana anefa toa tsy ahitana taratra firy ny fiaraha-mizaka fahoriana amin’ny rehetra, tsy hita taratra ny tena finiavana am-pahitsiana hanavotra ny vahoaka ao anaty fahantrana fa saritsarim-bahaolana, fampalazana tena, fangoronan-karena,… no betsaka. Ny Malagasy dotoany amin’ny fandemen-tsaina sy fanabadoana lava, fa izy ny ataony ihany no ataony. Mandavan-taona olana foana, tsy mety mivaha vao mainka mihombo, saingy lazainy fa tsy mora ny manao zavatra, ary tsy vita iray andro ny fampandrosoana. Tany aloha nolazainy fa ao anatin’ny 5 taona no hanatanterahany ny tsy vitan’ireo mpitondra nifanesy tao anatin’ny 60 taona, saingy aty aoriana indray voiziny fa mila fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika in’efatra eo vao ho tafavoaka ny firenena. Izy no lasa mpanome lesona rehefa te hiaro seza amin’ny tsy fahombiazana. Na tsy mieritreritra ny hanongana azy aza ny hafa satria efa nahazo lesona tamin’ny tantara, dia izy no mahana tsy henjehina. Mahari-pery ny Malagasy, mipetrapetraka sy tony na efa betsaka aza ny tsy rariny. Misy anefa ny fomba fiteny hoe: ny biby hanaikitra tsy mba mivovo izany sao ho diso hevitra eo fa hahomby mandrakariva ny fandemen-tsaina manara-penitra sy ny fiheverana ny vahoaka ho bado sy dondrona, ka azo fitahina sy hambakaina mandrakariva. Misy fetra ny zava-drehetra, misy fetrany ny faharetana! Tsy misy hiasa maina ary tsy misy hiala maina ka sao tsy ho zaka ny vokany?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT