Edito

Fandemen-tsaina


  • Alakamisy 07 Jolay 2022

Fandemen-tsaina sisa hany tena paikady hoentin’ny Fanjakana Rajoelina miatrika olana sy mandresy lahatra vahoaka.

Mandeha ny fampitahana zavatra tsy mitovy, fandraisana ohatra ny any ivelany amin’ny resaka vidin-tsolika, toy ny hoe : ny any Afrika efa manodidina ny 8000Ar ny any Eoropa efa mihoatra ny 2euros izany hoe : maherin’ny 10 000Ar, fa ny antsika mbola izao sy izao. Maninona raha hampitoviana amin’ny fari-piainan’ny olona any aloha ny fari-piainan’ny Malagasy ary e ? Toy ny efa fanaboriboriana resaka tany aloha mikasika ny coronavirus ihany io. Zary natao fialana bala lava, saingy samy niaina an’izany izao tontolo izao. Isika izay nolazaina tamin’ireny fa hanavotra izao tontolo izao ka nampiasaina hatramin’ny mpaminany sandoka, nolazaina fa isika no ho lasa sangany aty Afrika,… Sangany sy tompondakan’ny ronono an-tavy sy ny fampanofinofisana fa votsa fiasa any amin’ny fampandrosoana sy famahana ny olana ifoton’ny firenena. Samy nisedra coronavirus izao ihany koa nahoana ny olona no tafarina sy afaka miaina ihany ary misy aza ny nahavita nanomana ady? Nahoana kosa isika no mihazakazaka mihemotra makany amin’ny rambony? Rehefa tsy ny mpanohitra no lazaina fa misakana fandrosoana, dia ny coronavirus no fositra sy fanilihana lava, ary izao indray ny ady Ukraine,… Tsy misy adala eto, ka faly handeha hanendri-dresy kanefa hoe: ny Fanjakana aza mba sahirana, izy aza efa manao izay ezaka famahana olana sy ny sisa,… Raha tsara tantana firenena tsy hisy handeha hanakiana sy hanenjika azy eo, fa matoa ny olona manakiana sy mitsikera ary milaza mihitsy fa halavirina ohatran’ny fasam-bao ny famerenana an’io eo amin’ny fitondrana amin’ny 2023, dia ao raha! Manampy ny mpitondra sy mankahery no ataon’ny olona raha Fanjakana tsara tantana no misy, saingy tsy izay no miseho fa fitantanana feno halatra, anjakan’ny kolikoly, tototry ny fahaiza-manao, mpampidi-kizo firenena,… Mazava ny tokony ho setrin’izany amin’ny latsa-bato raha fifidianana madio sy marina tokoa no handeha.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT