Edito

Fandaminana an’Antananarivo Mila fahatongavan-tsain’ny tsirairay


  • Zoma 12 Aogositra 2016

Mampatsiahy ny avy ao amin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra fa tsy azon’ny sarety sy posy mitondra entana atao ny mifamezivezy eto an-drenivohitra eo anelanelan’ny amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 7 ora hariva.

 

Tsy vitsy ny olona no mety mandray ho tery vay manta ny fandaminana eto Antananarivo ankehitriny vokatry ny gaboraraka nisy teo aloha izay notazanim-potsiny. Tsy takatry ny olona ny tombontsoa ateraky ny lamina apetraka ka raha vantany vao miteny ny tompon’andraikitra dia ny handa sy hanohitra no masaka an-tsainy voalohany. Izany tokoa angamba no tonga amin’ilay fitenenana hoe sarotra ny miala amin’ny mahazatra. Ohatra mivaingana amin’izany ny fampanarahan-dalàna ireo mpitondra fiarakaretsaka izay maro no mimenomenona sy mihevitra ny fandaminana ho jadona. Tsy tsapan’izy ireo hoe endriky ny tanàna ny fitaterana ary ny fanarahan’ny isam-batan’olona ny lamina apetraka no hampirindra sy hampanara-penitra ny fivelomany. Toy izany koa ny mpitondra moto izay tsy tonga ao an-tsainy hoe fiarovana ny ainy sy fisorohana ny loza mety hitranga ny fanaovana aroloha fa tsy fialana sazy no andraisany azy. Ankehitriny, tsy ny finiavana no hanarahana lalàna fa tahotry ny fanasaziana ary izay no tena sakana amin’ny fampandrosoana ka tokony hokosehina ao an-tsain’ny olona. Zava-dehibe ny fampianarana azy sy fitarihana azy tsikelikely hahatsapa ny tombontsoany amin’ny lamina iray tian-kapetra.


                                                                                                       Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT