Edito

Fanarian-dia ny vahoaka


  • Zoma 20 Novambra 2020

Nafampana ny kifetifety tato ho ato, ary ny mpitondra mihitsy no toa minia mamorona azy ireny mba hoentina hanariana dia ny vahoaka angamba.

Tena tia mampirevy araka ny fitenin’ny tanora ny mpitondra antsika ankehitriny, ary tsy mbola misy maharesy azy tokoa aloha amin’io. Fatratra amin’ny famoronana hetsika sy zavatra hatao etsy sy eroa, izay toa natao mba hanakonana ny fahasahiranana goavana mampimenomenona vahoaka. Zary efa fomba fiady politika eto amintsika rahateo moa ny fampiasana artista malaza hoenti-manangona olona amin’ny propagandy, hany ka matetika tsy dia tena ny hevitra intsony no hapariaka hipaka any amin’ny vahoaka hifidy, fa ny fampifalifaliana azy amin’ny endriny maro no paikady mahomby, arahina fizarazarana zavatra kely tsy dia mankaiza miampy “t-shirt” dia vita kabary. Ny fiainam-bahoaka etsy andaniny miha mikorosy fahana andro aman’alina, ny fahantrana miha mihoampampana, ny vidim-piainana miha midangana,… Toa tsy manana herijika sy saina afaka ny handalina kely monja intsony ny Malagasy, fa dia hampirevena kely sy hariana dia indray andro dia adinony ny zava-drehetra. Indraindray ny hetsika sokajiana ho fanasoavana sy fizaran-javatra atao kely noho ny vola lany amin’ny dia, ny fitokatokanan-javatra mety ho in-droa na in-telo hiverenana: mametraka vato fototra, mijery ny fivoaran’ny asa, mitokana,… Indraindray zavatra tsy ilàna filoha akory, saingy tsy mitsinjara ny fahefana dia hanaovana serasera ho an’ilay Filoha ny zava-drehetra,… Tsy ny zavatra maika sy tena ao anatin’ny filan’ny vahoaka no himasoana matetika, fa ny haitraitra, saingy izay manakiana na mba manitsy moa eto dia sokajiana ho resy lava na mpanakorontana! Asa anefa izay hiafarany fa samia ho ela velona!

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT