Edito

Fanararaotam-paty no betsaka !


  • Alarobia 06 Septambra 2017

Samy milaza azy ho mahita ny hoavin’ny firenena daholo ny olona maro eto amintsika, indrindra fa ny mpitondra fivavahana amina Fiangonana zandriny maro,

na koa ireo milaza azy ho mpanana fahitana sy manana hery miafina. Misy mihitsy ny milaza fa mahita vahaolana ho an’ny firenena. Misy ny milaza azy ho tia tanindrazana ary sahy mirehareha fa manam-bahaolana eto amin’ny firenena. Tsy sanatria fitia te hanakiana na hanaratsy fa toa rediredy sy te hampalaza tena ny ankabeazany. Ny ataon’ny mpanao politika amin’ny famahanan-dalitra vahoaka aza efa tsy fidiny. Mbola misy koa milaza azy ho zavatra sy afaka manafaka ny Malagasy ao anatin’ny fahantrana. Inona no tsy hampiasana ilay fahefana sy fahaiza-manao miafina hoenti-mamaha ny olan’ny firenena fa tsy ilaozana mampalaza tena isan’andro etsy sy eroa. Fanararaotam-paty no betsaka. Vao mainka aza ny Malagasy migoka fahoriana andro aman’alina, ary efa tsy manana hiantsampazana no hararaotina amin’ny fahavoazany, ka tangosana indray ny kely ananany. Tsy manana hiantsampazana intsony tokoa ny Malagasy ary mifamely sy mifamotika toy ny mpamosavy malemy, hany ka ny mpiray tanindrazana ihany no hambakaina sy atao tohatra fiakarana. Tsy vitsy ny marivo salosana ka roboka tanteraka, saingy rehefa voa vao tonga saina e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT