Taorian’Antsirabe sy Ambatolampy dia manomboka mampihorohoro ny olona eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ihany koa ilay Club Satanique.
Mifanesisesy mantsy tato anatin’ny roa herinandro izay ny tranga hafahafa mahazo ireo ankizivavy. Efa nisy mihitsy moa ireo nahita maso ny zava-niseho ka nahafantatra avy hatrany fa mitovy tamin’ny nahazo ireo tovovavy tany an-drenivohitr’i Vakinankaratra no nahazo ireo tovovavy mpianatra sy mpivarotra teto an-drenivohitra. Niparitaka be ny resaka nanomboka teo. Nisy ihany koa moa ny mpitondra fivavahana efa nilaza fa tsy angano na honohono ity Club Satanique ity fa tena misy. Tahaka ny tao Antsirabe dia efa misy koa
ny fiangonana sasany eto an-drenivohitra manokana fotoam-bavaka ho an’ireo tanora mety efa tratran’ity asan’ny maizina ity, na koa matahotra ny ho tratran’izany ka mitady fiarovana sy fankaherezana. Resaka finoana sy fanahy moa izy ity ka tsy mora. Tsy misy fahagagana tampoka na fanafody arapaka dia hoe tsy handairan’ny asan’ny devoly na Satana ny olona iray. Misy isan-karazany ny finoana sy endri-pivavahana misy eto Madagasikara.
Ny fantatra aloha hatramin’izao dia mitodika avy hatrany any amin’ny fivavahana Kristianina ny olona vantany vao nanomboka nalaza ity resaka Club Satanique ity. Na ny olona tsy niraika firy tamin’izany fivavahana izany aza teo aloha dia manomboka miditra tsimoramora ao anatiny. Tsara homarihana fa tsy eto amintsika ihany no ahitana ity Club Satanique ity fa misy any amina firenena maro, saingy ny endrika isehoany no mety samy hafa. Raha ny hita eto aloha dia ny tanora, indrindra fa ny tovovavy no iharan’ilay izy. Araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao azy dia misy antony manokana matoa tao Antsirabe no nanombohan’ity resaka Club Satanique ity. Malaza ho jejo mantsy ny tovovavy ao, tahaka izany koa ny eto Antananarivo Renivohitra. Ny tanora amin’ny ankapobeny ihany koa moa dia tsy mbola tena matotra, mora voarebireby ary mitady zavatra hampisongadina azy eo amin’ny fiarahamonina, tia manandrakandrana ihany koa.
Maro ihany koa ny tanora no mety manana olana any an-tokantrano any koa dia mitady zavatra ety ivelany mba hanalana azy. Ny loza amin’ity resaka satana ity, dia afaka manapotika fiarahamonina izy io. Koa raha tsy voafehy dieny izao manomboka izao izy ity dia mety hampikorontana ny firenena mihitsy. Ny mahalasa ny fisainana dia ny hoe : nahoana no ao anatin’ny krizy no mampipoitra ny zavatra hafahafa tahaka itony ? Iza no ao ambadik’ilay izy io ary tombontsoa ho an’iza ny fanaparitahana azy ? Ny mampanahy dia sao misy paikady hanapotehana tanteraka an’i Madagasikara izay malaza fa nosy Masina sy manana fitahiana manokana avy amin’Andriamanitra. Mampieritreritra ihany mantsy ny zava-nitranga teto tato anatin’izay telo taona izay. Nokorontanina ny fiarahamonina, nodorana sy nopotehana ny fananan’olona, an-jatony ireo maty, tao ny may kila teo ihany koa ny lavon’ny bala. Niha nahazo vahana ihany koa ny «Franc-maçonnerie», nisy nangalatra ny satroboninahitry ny mpanjaka, nipoitra indray ny resaka Club Satanique … Mety ho fanapotehana tanteraka !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.