Edito

Fanapotehana manara-penitra


  • Alarobia 25 Novambra 2015

Olona 12 indray no maty omaly vokatry ny fipoahan’ny fiarabe iray tany Tonizia, nadaraboky ny F 16 Tiorka ny fiaramanidina mpiady Rosianina.

 


 Mbola manankery ny fepetra amin’ny tany misy hotakotaka any Belzika, tany miady ny any Frantsa. Mihazakazaka mifampidinika ireo mpitondra amin’ny firenen-dehibe hoe inona no atao mba hamotehana ny  Etat Islamique izay sokajiana ho vondrona mpampihorohoro manakorontana izao tontolo izao mihitsy ankehitriny. Tsy milamina ny planeta tany, tsy atahorana hitranga intsony fa efa tena raikitra ny ady lehibe faha-3, hoy ireo mpandinika. Manoloana izany, toa matoritory isika eto Madagasikara, zavatra hafa mihitsy no toa manahiran-tsaina ny mpitondra. Toa kamboty velon-dray aman-dreny ny vahoaka Malagasy, kabary tsara lahatra amin’ny mety ho famatsiam-bola ho azo foana no asesika, efa fantatra tsara anefa fa sarotra ho antsika ny hanatanteraka ireo fepetra napetraky ny mpamatsy vola, ary raha tanterahana aza izany dia hiteraka fahasosorana sy fimenomenomana. Vahaolana mahomby no andrandrain’ny maro fa tsy fihetsiketsehana sy fanapena-maso isaky ny mihetsika. Na rehefa tsy mahavita azy dia tokony mitsotra ny marina e ! Ny olona manidy ny sisin-taniny, isika indray no misolantsolana manokatra ny habakabaka, amin’izay sidina avy any amina tany efa fantatra fa akaiky ireo jihadista mpampihorohoro no avela hiditra an-kalalahana eto. Fa tena hopotehana mihitsy ve ity firenena ity e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT