Malagasy 3 amin’ny 4 dia mahantra sy sahirana ara-pivelomana, reny 498 amin’ny iray hetsy no maty eo am-piterahana tratry ny tsy fanjarian-tsakafo ny 37%-n’ny mponina eto Madagasikara, niakatra 9% ny vidim-piainana tato anatin’ny roa volana voalohany tamin’ity taona ity.
Tsy tarehimarika noforonina hanasoketana ny tsy fahaiza-mitantan’i Andry Rajoelina ireo sanatria, fa tena zava-misy eto amintsika. Mibaribary izao fa mizotra haingana any amin’ny fahapotehana ity firenena ity noho ny fizirizirian’ny sasany, nanome toky fa ho vitany, hono, ny mampandroso haingana an’i Madagasikara ary mbola hahavita asa tsara lavitra noho ny teo aloha izy. Aiza ho aiza izao ilay tsena mora, nahoana no miparitaka eny amin’ny tsena ny menaka mankarary sy mamono ny vahoaka, toa vary misy fofona no amidy mora hanapenam-bava ny madinika; toa tsy hahitam-bahaolana mihitsy ny firoboroboan’ny mpampanofa basy amin’ny jiolahy eto.Henjana ny toe-draharaha, ary raha izao no mitohy dia tsy hisy fifidianana ho vita izany eto amin’ity taona ity, ary na misy aza dia olom-boafidy vokatry ny fizarana fanomezana indray ve no hitarika ny firenena sy hanapa-kevitra eto, ary iza indray ny artista ho lasa mpanefoefo noho ny propagandy.
Mipetraka eto ny fanontanina hoe : mbola misy mpitondra ihany ve eto Madagasikara, ary raha misy, dia inona no ataon’izy ireo isan’andro ao anaty birao ao ? Isan-karazany mihitsy ny mpanolotsain’ny filohan’ny tetezamita ao an-dapa ao, misy amin’izy ireo no tena manampahaizana, saingy mikatso ihany ny firenena e ! Tsotra ny antony, olom-bitsy no miezaka mifehy ny zava-drehetra eto ka manilika ny besinimaro, tsy misy intsony ny soroka iara-milanja sy tongotra miara-mamindra, fa ny an-dry zareo dia akama miara-misôsy.Ny tany Tonizia , Ejipta izao efa nahavita fifidianana, farany teo nahazo filoham-pirenena vaovao koa ny tany Yemen, nikarakara fitsapa-kevi-bahoaka ihany koa ny tany Syria, nahavita fifidianana ihany i Senegal.Samy tany nahitana gidragidra noho ny resaka politika ireo, saingy nahita vahaolana politika, tao anatin’ny herintaona ihany, na dia misy ny fanatsarana tsy maintsy atao aza.
Mety mifanolana, miady, mifanenjika ny olona, any ivelany any, fa avy eo mifampiresaka, samy mandefitra, ary mahalala ny adidiny sy ny tsy maintsy ataony ny mpitondra, fa tsy misora-tena ho mpanjaka manana ny marina rehetra.Ny antsika eto, 3 taona izao, mbola ilay teo aloha naongana ihany no omen-tsiny sy haratsiana, koa izany ve tsy fanilihana andraikitra sy fomba fiadin’ny kanosa e ! tsy fanarenana firenena angamba no atao eto izao fa fanapotehana azy, haingana sady maharitra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.