Edito

Fanaparam-pahefana


  • Alakamisy 25 Febroary 2016

Mitombo isa hatrany ireo olona ambony na fianakaviana manampahefana voatonontonona anatina afera maizina eto amintsika.


 Ny tena maha valalanina dia tsy miafina fa tena sahy miseho vahoaka izy ireo, miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana mirongo basy. Tsy mbola fantatra mazava aloha raha tena mpitandro ny filaminana marina na olona nampanaovina akanjona mpitandro ny filaminana ary nomena basy. Velon-taraina ny Malagasy any ambanivohitra any, indrindra fa any amin’ireo toerana voalaza fa misy harena ankibon’ny tany fa manjakazaka any ny manampahefana. Tsy hitan’ireo vahoaka intsony izay atao. Manafika sy mandroba ny dahalo, manao ny ataony ny teratany vahiny mpitrandraka, mbola misy malagasy mpanambola sy milaza fa manampahefana koa manindry ny madinika. Efa fanjakan’i Baroa hanjakan’ny gaboraraka sy ny kolikoly no misy eto, fisehosehoana ivelany sy kabary tsara lahatra fotsiny no atao, fa efa hafa ny zavatra ketrehana. Io no mahatonga ny olona sasany tafajanona foana ao anaty rafi-pitondrana na dia efa hita izao aza fa tsy mahavita azy. Misy kopaka isasahana tsinona ao ka raha vao ailika ny iray dia mety hamoaka tsiambaratelo. Fanambakana sy fanaparam-pahefana tsy misy tahaka izany intsony e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT