Edito

Fanantenana vaovao


  • Zoma 26 Novambra 2010


Hiverina ato ho ato indray ny fifampidinihana eo amin’ireo filohan’ny Ankolafy Efatra, ary efa eo am-pamaranana ny fanomanana izany ny ao amin’ny GIC. Ho avy eto Madagasikara amin’io herinandro ambony io ny iraka manokan’ny SADC hitsapa ny halalin’ny rano sy hijery ny maripana eo amin’ny tontolo politika mba hahafahana mametraka fototra matanjaka hiaingan’ny fifampidinihana. Fantatra fa efa miomana fatratra amin’ity fihaonana manaraka ity ny ao amin’ny Ankolafy Telo, miasa mafy na dia tsy re feo firy aza ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay tsy mitsahatra ny mihaona amin’ireo sokajin’olona sy fikambanana vahiny mba hikarohana ny vahaolana hivoahana amin’ny krizy. Tsy mipetra-potsiny ihany koa fa efa miketrika mafy any Frantsa any ny amiraly Ratsiraka. Teny miendrika fandrahonana kosa anefa ny an’ny FAT tarihin’i Andry Rajoelina, ka na mamerimberina isaky ny mihetsika aza hoe tsy ilaina intsony ny fifampidinihan’ny Ankolafy Efatra dia efa manoman-tena ihany koa. Fantatra koa izao fa miditra an-tsehatra mivantana amin’ity raharaha ity ny Frantsay ka nametraka karazana fepetra any amin’ny GIC amin’ny fanohizana ny fifampidinihana mba hahatongavana any amin’ny marimaritra iraisana izay hitarika ny fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena ny FAT.

 Azo antoka fa tsy ho mora ny adihevitra ary hafana ny adivarotra. Mipetraka ny fanontaniana hoe mbola ho resahan ao ihany ve ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba ary ny fehin-kevitra tatsy Pretoria ? Ho dinihana mandritra ity dinika ity ve ny tapaka nandritra ny fihaonambem-pirenena sy ny voasoratra tao amin’ilay fifanarahana politika nosoniavina teny Ivato ? Maro be ny fanontaniana saro-baliana aloha hatreto manodidina ity fihaonana ity. Raha ny tena marina mantsy dia tsy tokony hivaona amin’ny zavatra rehetra niadian-kevitra hatramin’izay ny dinika, saingy niaraha-nahita fa izay no nampikatso ny fihaonana rehetra satria samy nitazona ny heviny ary tsy nisy nilefitra mihitsy. Ny Ankolafy Telo dia tsy mahalala afa tsy ny tetezamita iaraha-mitantana sy eken’ny rehetra izay lalana tokana mitondra any amin’ny fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny ankolafy Rajoelina kosa, izany hoe ny FAT dia tsy mahalala afa tsy fifidianana, ary efa natombony tamin’ny 17 novambra izany ary tsy maintsy hotohizany.

Tsy eken’ny sehatra iraisam-pirenena anefa io drafitra imatimatesan’ny FAT io, ary hita fa tsy mahavaha ny krizy. Miara-dalana amin’izany rehetra izany dia nitombo ny isan’ny gadra politika eto Madagasikara ary voatapim-bava tanteraka ny mpanohitra, tsy misy mihitsy ny adihevitra demokratika ka afaka migalabona tsara sy manao izay tiany ny fahefana mpanatanteraka. Tsy nisy ny zava-baovao eto raha oharina ny tamin’ny 2009, ary hita ho miha mafy aza ny krizy. Nalaza teto ny hoe aleo ataon’ny samy Malagasy ny dinika sy ny fanelanelanana, saingy tsy araka ny neritreretina ny vokatra azo. Hiverina hanelanelana indray ankehitriny ny vahiny, ka ho hita eo ny ho fidonany. Fanantenana vaovao no mitsiry ao am-pon’ny rehetra ankehitriny izay miandrandra fa tokony mba hilamina mialoha ny fety ny raharaha politika, ary tena zava-baovao mihitsy no atrehana amin’ny taom-baovao fa tsy sanatria fanamafisana ny omaly tsy niova ihany !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

Hijery ny tohiny
FTT