Edito

Fananganana ny CFM Voadingana ireo gadra politika


  • Alatsinainy 16 Novambra 2015

Notendrena manokana ireo mpikambana ao amin’ny «Comité d’Experts» hamolavola ny rijan-teny sy rijan-dalàna hananganana ny «Comité pour le Fampihavanana Malagasy».

 

 Efa eo am-pelatanan’ny filohan’ny Repoblika ankehitriny io volavolan-dalàna fampijoroana ity rafitra vaovao hisahana ny fampihavanam-pirenena handimby ny Filankevitry ny Fampihavanam-pirenena manomboka amin’ny volana martsa 2016 ity. Naneho ny alahelony ary miahiahy ny amin’ny fomba fiasan’ny komity ahitana ireo manampahaizana ny faran’ny herinandro lasa teo moa ny «Fédération des Ex-Détenus Politiques de Madagascar». Tena rariny sy hitsiny tokoa mantsy raha nalaina ny hevitry ny federasiona ivondronan’ireo gadra politika izay mahalala tsara ny tontolon’ny fampihavanam-pirenena mialoha ny nandrafetana ny vontoatin’ny antom-pisian’ny CFM, hoy ny filoha nasionaly mpiara-mitantana ny FEDeP Rakotomalala Henri. Tsy very fanantenana anefa ny fikambanana ary mbola miandrandra fifampidinihana amin’ny filoham-pirenena mialoha ny handrosoana ny volavolan-dalàna hodinihan’ny Antenimieram-pirenena mba tsy hiverenan’ny hadisoana nataon’ny fitondrana tetezamita tamin’ny fananganana sy fanendrena mandeha tokana ireo mpikambana tao amin’ny FFM.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT