Nalaza tato ho ato ary novoizin’ireo mpanao politika sy antoko politika ny teny hoe « fananganana » kanefa dia mbola ny teny frantsay hoe
« refondation » ihany no atao mandrafitra ny anaran’ny ankamaroan’ireo antoko. Midika izany fa misy fototra goavana be tsy voafehy dia ny tenim-pirenena ao. Hany ka zary lasa resaka fotsiny no betsaka fa ny finiavana mbola manalasala foana ny fisiany. Tokony hiainga avy any amin’ny fokonolona, any amin’ny fokontany, eny ifotony, fananganana ifotony mihitsy izao no tokony hatao. Na ny famaritana ireo rehetra ireo aza anefa mbola voambolana sadasada no ataon’ireo vondrona politika ao anatiny. Na dia ny hanatona ireo manampahaizana momba an’i Madagasikara toy ny mpahay olona sy fiarahamonina ary mpahay tantara sy teny sy lahabolan-drazana aza tsy vita. “Fanorenana miainga avy any amin’ny tafo toy ny mahazatra ve no hatao ?”, hoy ilay mpahay fiarahamonina izay. Sa avy any ifotony miainga avy any amin’ny fokonolona tokoa ? Mbola manalasala na azon’ireo mpanao politika ny dikan’izany na hodiany fanina. Raha mbola toy izao ny fitrangany dia hitohy foana ny fandaniana andro amin’ny resabe mandany jiro sy ny ady mangatsiaka ato anatiny izay hararaotin’ireo vahiny rangitina mba hahafahany mitavana ny harentsika.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.