Edito

Fananan’i Dada


  • Alakamisy 29 Septambra 2011

An’iza marina ilay fiara ? Hatreto aloha dia fiarana miaramila ny nampitain’ny loharanom-baovao ofisialy.

 Ny fidinan’ny tompon’andraikitra ambony miaramila any Farafangana anefa dia mahataitra ny saina ihany. Ara-ofisialy hatrany dia hijery ifotony ny zava-misy no antony nidinany tany. Ny loharanom-baovao hafa indray no nilaza fa azy ny fiara. Io tompon’andraikitra miaramila io rahateo dia anisan’ny nanangon-karena tamin’ny fangalana ny fitaovan’i Dada raha vao nivadika ny fanjakana. Marobe ny fiarabe nobatainy ka nampiasainy. Raha ny re aza dia mbola misy sasany afenina amin’izao fotoana ka hiandrasana fotoana tsara vao havoaka. Marobe ny entan’i Dada izay natao amboletra sy nalain’ny tompon’andraiki-panjakana amin’izao fotoana. Rehefa tena zohiana dia ireo olona ireo no mitsipaka ny fiverenany eto an-tanindrazana. Misy mihitsy ny lisitra efa nivoaka tamin’ny tranonkala momba an’izany fananana miparitaka izany. Raha fintinina dia ireo olona nanao amboletra fananan’olona no tena manda ny fiverenany. Ny tsy fantatr’izy ireo anefa dia efa nafoin’ny tompony ireo entana ireo ary tsy izany intsony no laharam-pahamehana ho azy fa ny fiverenana eto an-tanindrazana mba hampitony ny olana eto amin’ny firenena…

 

Samy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT