Miha mafy hatrany ny krizy ary manampy trotraka izany ny fisondrotan’ny solika, izay azo antoka fa tahaka ny menaka raraka amin’ny taratasy ka hiparitaka sy hiteraka zavatra hafa maro.
Tsy i Madagasikara irery no mandalo krizy momba ny solika fa ireo firenena rehetra maneran-tany mividy solika. Any Frantsa sy i Etazonia izao dia mimenomenona ny olona noho ny fiakaran’ny vidin-tsolika ary mahazo tsiny amin’izany ny mpitondra. Samy hafa anefa ny vokatr’izany amin’ny fiainan’ny vahoaka andavanandro, any amin’ny firenena mandroso sy aty amin’ny firenena mahantra ary mbola hampahantrain’ny krizy tsy mety mivaha. Tena samy hafa be ihany koa ny fiatrehan’ny fanjakana io olana io any ampita sy eto amintsika. Zavatra tsy azo ihodivirana manerantany ny fiakaran’ny vidin-tsolika fa anjaran’ny fitondrana mahefa no mikaroka vahaolana haingana, mba hamenoana ny banga sy hanalefahana ny fahasosorana sy fahasahiranan’ny vahoaka fa tsy hoe mitady olon-kafa omen-tsiny na hanilihana ny rihatra foana.
Asa aloha raha mbola misy fanampiana sy fanohanana azo antenaina amin’ny tetezamita tarihan’i Andry Nirina Rajoelina ihany, fa raha ny zava-misy hatramin’izao aloha dia tena famonoana ny vahoaka no hita, ary famotehana ny firenena no tsapa. Hoy ny be vazivazy hoe, tsy zoma fanampiana intsony no ilaina fa fanampiana isan’andro, satria efa tena sempotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny olombelona eto amin’ity Madagasikara ity e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.