Edito

Fanampenam-bava


  • Alarobia 13 Mey 2015

Raha olona izay vao tonga eto Madagasikara dia mety ho gaga sy talanjona ihany raha mandre ny vaovao sy mahita ny zava-misy, ka hanontany hoe inona ary ity firenena ity ? Mahita lalàna tampoka izany ny mpitandro filaminana hoe

 


amin’ny 8 ka hatramin’ny 10 ora maraina ihany no afaka manatitra fehezam-boninkazo amin’ity datin’ny 13 mety ity, ary somary novaina kely ny toerana hahafahana manao izany. Fa milamina ve eto sa mikorontana e ? Inona no tena antony mahatonga ny manampahefana sy ny mpitandro filaminana ho mailomailo isaky ny mihetsika io ? Sa efa tena fanapenam-bava mihitsy no tanjona. Tena misy tokoa ve any ambadibadika any ireo mikotrika fanonganam-panjakana sa mba resaka iniana aparitaka fotsiny ilay izy hahafahana mandray fepetra hentitra amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana ka hanakanana ny filaharana na fidianana an-dalambe sy fanehoan-kevitra ? Tsy maintsy miditra amin’ny fanapenam-bava ve izay vao afaka mitandro filaminana ny eto Madagasikara ? Iaraha-mahafantatra tsara anefa fa tolona sy fihetsiketsehana avy hatrany no resaka raha vao hoe 13 mey izany. Tantaram-pirenena tsy azo fafana io, misy lanjany manokana ary tsy voatery hoe hitarika korontana fa azo marihana ao anatin’ny fahamendrehana. Ilay fihetsika ataon’ny mpitandro filaminana mihitsy anie indraindray no mandranitra ny hafa e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT