mpitondra fanjakana manana ny maha
izy azy eto an-tany toa ny sekretera jeneralin'ny ONU, praiminisitra Indiana, praiminisitra Anglisy, minisitry ny raharaham-bahiny frantsay, filiha lefitry ny filan-kevitry ny filaminana Rosiana, ny Tiorka, taorian'ny daroka baomba nataon'i Etazonia tany Iran. Mijanona ho fanambarana ihany anefa izany, samy mbola mitady izay hevitra hamelezana mafy ny mpifanandrina aminy etsy ankilany ny Iraniana ary etsy andaniny ny Israeliana tohanan'ny amerikana. Tsy misy amin'ireo firenena hafa ireo na tandrefa na tatsinana eny fa na ireo firenena arabo aza sahy nilaza mivantana fa manohana ary hanampy ara-tafika sy ara-pitaovam-piadiana ny repoblika islamikan'i Iran. Izay any amin'ny tsy hita maso no tsy hay fa raha ny misy hatreto aloha dia miady irery ny Iraniana raha toa ka ampian'ny amerikana sy israeliana. Ireo firenen-dehibe hafa dia na tsy manaiky ny hitrandrahan'i Iran ny uranium mha ahazoany baomba nokleary na mody miantso hoe aleo miresaka an-databatra. Miteny fa tsy misy mpihaino izy ireo, tsy tafavoaka aloha ny antso fifampiresahana, baomba no maresaka fa miesona ny demokrasia. Ary raha ny vavabe ifanaovan'ny mpifanandrina dia tsy mbola ho ato ho ato mihitsy ny fifampiresahana. Ka na ireo miantso fifampiresahana aza mbola tsy mitovy hevitra tsara ny amin'ny mety hitondrana ny fifampiresahana. Samy manana ny maha maika azy sy ny tombotsoany moa. Ny fahapotehana sy faharavana mandeha isan'andro anefa ary manomboka mitombo isa ny maty sy maratra na any Iran io na any Israel.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.