Edito

Fanalahidy hahavita inona ?


  • Sabotsy 19 Janoary 2019

Feno ny fahefana eo am-pelatanan’ilay filoha vaovao. Efa any aminy, hono, ny lakile hamahana ny olan’i Madagasikara na dia niteraka resa-be aza ilay fombafomba fifanolorana tsy tanteraka omaly teny Iavoloha.

 Raha ny zava-misy dia fanalahidy avy any amin’ilay filoha vaovao no saika hanaovana sehoseho hatolotr’ilay filoha handao, ka toa te hilaza ny an-kilany hoe efa anareo ihany io ka tonga dia ampiasao ao e ! Henjana aloha amin’ny karazana seho ivelany, fa ho hita eo amin’ny asa satria tsy vitan’ny kifetifety sy kisehoseho ny fitantanana ity firenena ity. Efa iny amin’ny endriny hita iny indray izany ny lakile ka hamaha ny olan’ny Malagasy tokoa ve ? Vahaolana tena mahomby no ilain’ny valalabemandry fa tsy zavatra petatoko. Raha tena misy rahateo ny finiavana hitsinjo ny Malagasy, dia manolotra fintana no zava-dehibe fa tsy manolotra trondro. Tsy ny fanolorana zavatra matetitetika rahateo no ilazana fa tia ireo madinika, fa ny fitsonjovanao ny hoaviny manontolo. Ny efa fanaon’ity fanjakana ity mantsy dia ny fanaovana tsena mora, vary mora, menaka mora. Izany ny fakana fom-bahoaka ankoatra ny fizarazaran-javatra tsy mahavita taona. Tsy ratsy ireny fa fandemen-tsaina sy paikady hoenti-mifehy ny ambanilanitra ary tsy hampivoatra azy mandrakizay. Rehefa zatra tolorana kely dia jamba sy tsy mahita izay ataon’ny mpitondra intsony, ary dia afa-po amin’ny zavatra tsy mankaiza. Isika no tsy mijery lavitra satria notolorana trondro dia voky indray andro, ka faly ery. Raha ny harenantsika efa naondrana teto fotsiny tany amin’ny 10 taona lasa anefa no tena nandeha tamin’ny laoniny sy naompana tamin’ny fampandrosoana ny firenena tsy ho tahaka izao isika. Mba mila sokafana amin’izay ny mason-tsaina amam-panahy fa tsy hanaiky hodomin’ny olona tapany handoa erany eto foana e ! Raha ny vidin’ny boaderozy naondrana teto tao anatin’ny dimy taona fotsiny anie ka mba mety efa nahavaha io olan’ny delestazy efa ho lava io, ary mety mba efa ny antsasamanilan’ny Malagasy no nisitraka herinaratra, raha naompana tamina tetikasa goavana tahaka izany, ohatra, fa tsy niliban’ny olom-bitsy e ! Asa lahy na mbola holemena saina amin’ny menaka kely, vary kely, zavatra kely,… izay mety ho 1% amin’ny haren’ny firenena, fa ny 99% dia mbola hanjazakan’ny sasany !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT