Edito

Fanalahidy !


  • Talata 08 Martsa 2011


Fanambarana roa miantoana no indray nivoaka tao amin’ny efitra fivorian’ny CCI Ivato ny alarobia 02 martsa 2011, nifanarahan’ireo mpanao politika notsongain’ny filohan’ny FAT hivory sy hanapa-kevitra mikasika ny tetezamita teny. Nivoitra tamin’izany ny hoe tsy maintsy faranana amin’ity taona ity ny tetezamita sy ny hoe soniavina mialoha ny talata (anio) ny sori-dalana. Nilaza anefa ingahy Leonardo Simao, iraky ny mpanelanelana vahiny, fa tsy tratra izany. Toa sosoa voatapo-drano ireo mpivory teny Ivato eo anatrehan’izany. Dia mionona amin’ny hoe amin’ity herinandro ity. Vao omaly anefa no fantatra fa namerina any amin’ny ankolafy Ravalomanana ny fahitany ny tolo-kevitra naroson’ity farany ny iraky ny SADC.

Tsy maintsy dinihina mantsy io tolo-kevitra io, fa tsy azo hampirimina any anaty vata sarihana any, na eo aza ny fanerena ataon’ny mpomba an-dRajoelina. Handinika izany ny ankolafy Ravalomanana, ary azo antoka fa handefa any amin’ny iraky ny SADC ny fanitsiana an’io tolo-kevitra io raha tsy mbola mifanaraka amin’ny fotokevitra nijoroan’izy ireo sy ny notakian’izay ireo dia ny famerenana ny ara-dalàna sy ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ary izay heverin’izy ireo fa tombontsoan’ny vahoaka maro an’isa.

Midika io fa mety hitatra hatramin’ny faran’ny volana martsa ny fiandrasana ilay sori-dalana farany. Io indray anefa dia mbola halefa any amin’ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena hakana fankatoavana vao soniavina. Koa na dodona sy manery, eny mandrahona aza ireo mpomba an-dRajoelina, dia tokony ho tsapany amin’izao zava-misy izao, fa tsy any aminy ny fanalahidin’ny fahazoana ilay fankatoavana iraisam-pirenena manahirana azy efa ho roa taona izao io.

 
Jean D.
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT