Edito

Fanakianana ranofotsiny


  • Alakamisy 15 Jolay 2010


Tsy nankasitraka ary nanakiana ny fandraisan’anjaran’ireo miaramila avy amin’ny firenena Afrikanina miisa 13 tamin’ny matso lehiben’ny 14 jolay teny amin’ny Champs Elysée tao Parisy ireo fikambanana miaro ny zon’olombelona any Frantsa. Nambaran’izy ireo mantsy fa mety misy amin’ireo miaramila na manamboninahitra nasain’ny fanjakana Frantsay ireo no nandray anjara tamin’ny fampijaliana sy famonoan’olona taty Afrika, nandritra ireo ady sy korontana maro samihafa tamin’izany. Kianin’ireo fikambanana miaro ny zon’olombelona ireto ny fanasan’ny Frantsay ireo azo ambara fa mpanao didy jadona sy nampijaly vahoaka tahaka ny mpitondra avy ao Tchad, Togo, Centrafrique, Congo, Gabon, Burkina Faso, Djibouti ary Cameroun. Ny Fédération internationale des ligues des droits de l'Homme (FIDH) moa dia nangataka tamin’ny filoha Nicolas Sarkozy mihitsy mba hampahafantatra ny lisitr’ireo vahiny nasaina tamin’ity 14 jolay 2010 ity, saingy tsy nivoaka ny lisitra.

Nilaza fotsiny ny avy ao amin’ny lapan’i Elysée fa tsy misy manan-draharaha amin’ny fitsarana mihitsy ireo miaramila Afrikanina rehetra nandray anjara tamin’ny matso omaly. Ho fanehoana ny tsy fankasitrahan’izy ireo ity fanasana ny miaramilan’ny zanatany teo aloha nanao matso omaly ity, dia nisy ny fihetsiketsehana an-dalambe teo amin’ny Place de la République tao Paris nataon’ireo fikambanana 80 mahery miaro ny zon’olombelona, ny talata alina teo. Fa ankoatra izay dia maro ihany koa ireo fanehoan-kevitra nivoaka taorian’ny fivorian’ny Frantsa-Afrika tany Nice farany teo, izay fanakianana ny ankamaroany. Efa tena lany andro ary tsy tokony hatao intsony, araka ny fahitan’ireo mpanao politika sy fikambanana Frantsay maromaro ny politikam-panjanahana izay tanterahana amin’ny alalan’ny Frantsafrika, mba hahafahan’i Frantsa mahazo tombontsoa ara-toekarena aty Afrika.

Tamin’ny 2008 dia nesorina tamin’ny toerany mihitsy i Jean-Marie Bockel, sekreteram-panjakana misahana ny fiaraha-miasa, izay sahy nilaza ny tsy maha mety io rafitra io. I Alain Joyandet moa no nisolo toerana azy, ary efa nametra-pialana ihany koa noho ny resaka fandaniam-bolam-panjakana ahiana ho nataony. Anisan’ireo sahy nilaza ny tsy nety sy nanakiana ny politikam-pifandraisan’i Frantsa amin’i Afrika ihany koa i Jean-Christophe Rufin, efa nitana ny toeran’ny masoivohon’i Frantsa tany Sénégal. Nambarany tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ny gazety Le Monde fa i Claude Guéant, Sekretera jeneralin’ny lapan’i Elysée, izay to teny tokoa amin’ny filoha Sarkozy, no mitarika ny komity manokana momba ity fanjanahana an’i Afrika amin’ny endriny vaovao ity.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT