Tsy misy fitiavana maharesy fankahalana izany.
Isan’ireo fehezanteny matetika famerimberin’izao fitondrana izao sy ireo mpanaradia azy ireo fehezanteny miisa roa ireo. Lasa saina ireo mpitazana manoloana izany rehetra izany no sady velom-panontaniana hoe iza marina moa izany no tompon’ny hery na koa hoe mampiasa hery ao anatin’izao raharaha izao ary iza no mbola miezaka mivoy na mipetraka ho manam-panahy? An-daniny ireo nanakana tamin’ny fitaovam-piadiana nandratra sy namono ireo nilaza ho mitaky ny fahamarinana sy fangaharaharam-pifidianana ary fanavotana ny firenena tamin’ny alalan’ny hetsika tamim-pilaminana. Nisambotsambotra sy nampihorohoro ny sain’ireo heverina fa tsy mitovy hevitra aminy, izay tsy voatery hoe mpanohitra ny fitondrana akory fa rehefa ivelan’ny fitondrana rehetra ka manohitra ny heveriny fa tsy mety ataon’izao fitondrana izao na sendikalista io na mpampianatra mpikaroka na mpanao politika dia niharan’izany avokoa. An-kilany moa izany dia ireo mifanohitra amin’izay voalaza rehetra teo izay. Niharan’ny herisetra satria naneho hevitra, nitaky tany tan-dalàna, nitaky fahamarinana. Fanahy sy hery no resaka androany. Iza no mbola mampiasa fanahy? Iza kosa no efa mampiasa hery? Manam-pitiavana ve dia mahavita mandoka ny vavan’ny mpiray tanindrazana aminy toy ilay nitranga teny Mahamasina ny 9 novambra iny? Manam-pitiavana ve dia mahavita mandratra ireo mpiray tanindrazana aminy? Manam-pitiavana ve dia hanavaka hoe ianareo izay manana karatra ihany no mahazo? Fanahy sy hery no resaka androany! Fitiavana sy fankahalana! Anjaran’ny tsirairay no mamakafaka sy mandinika ary ny tantara no hitsara.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.