Edito

Fanahy iniana


  • Alakamisy 16 Febroary 2017

Efa an-taonany maro no niandrandran’ireo vahoaka nifandimby teto amin’ny firenena fandrosoana.

 Samy nampanantena sy nahay nikabary daholo ireo mpitondra nifanesy fa azo atao tokoa ny mampandroso ny firenena ao anatin’ny fotoana vetivety. Rehefa tonga ao anaty fitondrana tokoa anefa izy ireo dia misy andian’olona mpanohana mampirisika hilaza matetika fa mbola mila ezaka be an-taonany maro mihitsy vao azo atao ny mampandroso ity firenena ity. Misy ny milaza fa mbola mila hampianarina hay tarika (leadership) 7 na 8 taona eo ho eo ireo te hitondra sy mpanao politika mba hisian’ny fampandrosoana afaka 20 na 25 taona. Teo anelanelan’ny taona 2002 ka hatramin’ny taona 2009 anefa dia efa voaporofo fa azo natao tsara ny nampandroso tao anaty taona fohy satria dia niha nivoatra isan-taona ny faripianan’ny vahoaka, raha ny tarehimarika nomen’ny firenena mikambana. Mbola porofo ahafahana maneho fa misy ihany koa ny vahaolana vetivety ahafahana mivoaka amin’ny fahantrana ny fivahan’ny olan’ny delestazy tao anatin’ny fotoana fohy rehefa naneho ny hatezerany ny mponina. Tsy finiavana, araka izany, no tsy mampandroso antsika fa efa fanahy iniana mihitsy.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT