Edito

Fanahiana isan’andro


  • Alatsinainy 22 Mey 2023

Fanahiana isan’andro! Lasa izany ankehitriny no andavan’androm-piainan-dRamalagasy.

Ireo mihevitra ny tenany ho vahoaka madinika sy mbola manan-kohanina na mety azo lazaiko koa hoe hany sisa manana ny ampy, feno fitaintainana hatrany manoloana ny tsy fandriampahalemana ary mikaikaika manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana. Ireo manana toerana anaty fitantanan-draharaham-panjakana na fitondrana indray mitaintaina sao dia ho esorina eo amin’ny toerany raha sanatria tsy dia mety loatra amin’ny mpitondra ny lazainy sy ataony. Dia tena tsy maintsy nesorina tamin’ny toerany tamin’iny fotoana iny mihitsy ve, ohatra, ny tale jeneralin’ny ONE? Dia tsy maintsy natsahatra mialoha ve ny fe-potoam-piasan’ny HCDDED? Dia tsy maintsy nampiantsoana natao fanadihadiana koa andro vitsy taorian’izay ve ny filohany? Heverina fa tena fahagagana raha toa izany rehetra izany angamba no antsoina hoe fifandrifian-javatra. Raha vantanina amin’ny fomba fanontanin’ny eny amin’ny fiarahamonina ilay izy dia hoe angaha tsy maintsy atao vakiana be tahaka izany ilay izy? Iza amin’ny olom-pirenena izany izao no tsy feno fanahiana rehefa haneho hevitra? Iza no tsy feno fanahiana rehefa hivoaka sy hiditra ny trano? Iza no tsy feno fanahiana, eny, hatramin’ny hoe rehefa hiresaka amin’ny Rakoto na Rasoa, na mivantana io na an-telefaonina? Izany ve no hiainan’ny vahoaka sy olompirenenao isan’andro dia ho gaga ianao raha toa ka very toerana 44 be izao ao anatin’ny 2 taona monja ny resaka fahalalahana eto amin’ny firenenao? Mampivarahontsana moa, hoy ny nambaran’ny sehatra iraisampirenena iray izay ny faran’ny herinandro teo, ny fihatahantsika malagasy amin’ny demokrasia ka dia asa na hahatonga saina indray na tsia!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT