Edito

Fanagejana vaovao


  • Alarobia 15 Jona 2016

Manahirana ilay fiainana eto Madagasikara.


Tsy hoe ny olona no maditra fa ny mpitondra mihitsy no tsy mahay mitantana. Im-piry mitaraina ny mpandraharaha malagay noho ny mizana tsindrian’ila ka ny vahiny foana no toa mahazo tombontsoa eto. Ireny fitakiana sendikaly isan-karazany ireny dia efa tena mazava fa maro be ny tsy rariny any amin’ny tontolon’ny asa. Ny firongatry ny fitsaram-bahoaka dia manaporofo fa tsy voafehin’ny fitondram-panjakana intsony ny resaka fitandroana ny filaminana. Ny karazana trafika etsy sy eroa toy ny volamena, vatosoa, hazo sarobidy, hatramin’ny olombelona aza dia tondro iray lehibe fa manjaka eto Madagasikara ny gaboraraka ary natao resadresaka handanian’andro fotsiny ny didy aman-dalàna fa tsy ampiharina akory. Izao tratran’ny don-tandroka indray ny asa fanaovan-gazety, ny omaly tsy niova ny resaka, mbola mitoetra ny fahafahana managadra ny mpanao gazety sy izay rehetra maneho hevitra mafimafy manakiana ny sasany. Fitaka be vava fotsiny ny resaky ny mpitondra hoe nofoanana ny fanagadrana mpanao gazety noho ny asany. Ka inona moa izany fa tsy nisy fanovana mihitsy teto fa vao mainka aza niha mafy ny fanagejana. Fampiesonana no betsaka fa raha ny tena marina dia tsy mahatanty fanakianana ny manampahefana ary te hanamafy hatrany ny sezany e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT