Edito

Fanagejana tsotra izao


  • Talata 05 Jolay 2016

Andininy miisa 14 be izao no ao anatin’ilay fehezan-dalàna mifehy ny fifandraisana no nokitihan’ny fitondram-panjakana.


 Anisan’ny lehibe ao anatin’izany ny resaka fikaroham-baovao sy loharanom-baovao, ny resaka fiainana manokana (vie privée) izay toa narafitra mihitsy hiarovana ny olom-panjakana ary tsy hahafahan’ny mpanao gazety manao ampamoaka raha misy ireo manampahefana manao hadalana na manaotao foana. Anisan’ny tena zava-doza ao anatin’ilay fehezan-dalàna novain’ny fanjakana ihany koa ny resaka fanomezana sy fanafoanana ny fahazoan-dalana hanangana haino aman-jery. Ny minisitera no lasa manana ny teny farany na dia misy aza ny rafitra manokana antsoina hoe “Autorité Nationale de Régulation de la Communication Médiatisée” (ANRCM), rafitra izay azon’ny fitondram-panjakana fehezina ihany koa anefa satria vitsy an’isa ao anatin’io ny solontenan’ny mpanao gazety sy ny orinasan-tserasera raha oharina amin’ny olona avy amin’ny rafi-panjakana maro samihafa. Farany dia noesorin’ny fitondram-panjakana tsotra izao ilay andalana ao amin’ny andininy faha-208 milaza fa manafoana avy hatrany ny lalàna 006/2014 momba ny Cybercriminalité ity lalàna mifehy ny fifandraisana ity. Io lalàna momba ny cybercriminalité io anefa no tena miteraka adihevitra goavambe noho ilay izy manohintohina tanteraka ny fahafahana maneho hevitra ho an’ny isam-batan’olona fa tsy hoe ho an’ny mpanao gazety irery ihany. Moa tsy efa fanagejana tsotra izao ?

RTT

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT