Edito

Fanagadrana no lehibe indrindra !


  • Alatsinainy 04 Martsa 2019

Adinodino ny fahasahiranan’ny tany avaratry ny Nosy noho ny valan’aretina kitrotro nandripaka.

 

 Nitohy tany amin’iny ilany Atsimo Andrefana iny, izay tena mijaly amin’izao satria tena mandripaka ity. Samy manana ny manahirana azy, ka toa tsy nisy mpitondra fanjakana niraharaha firy ireo mpiray tanindrazana 40 mahery matin’ny loza voajanahary tany atsimon’ny Nosy sy ireo mbola mizaka ny voka-dratsiny hatramin’izao. Io anefa fa miditra amin’ny andro ratsy indray isika, izay vao mainka hampihombo ny fahavoazana. Tsy ireny no mahamaika ny fanjakana amin’izao fa mbola manenjika isa amin’ny resaka fanagadrana sy fanenjehana ireo tsy mitovy hevitra ara-politika amin’ny tena. Toa lany andro amin’ny valifaty politika hoenti-milaza fa tena mametraka ny tany tan-dalàna sy miady amin’ny kolikoly. Dia mba te hanome lesona ny rehetra, hono, fa tena filamatra amin’io resaka iray io. Raha dosie maloto sy kolikoly dia aleo fohazina hatrany fa raha tsy lohalaharana dia mety mitana ny toerana faharoa ny fanjakana tetezamitan-dRajoelina hatramin’ny nahazoana fahaleovantena. Ny tany amin’ny fampielezan-kevitra nahalany azy farany teo, dia efa maro ireo karazan-javatra mampiahiahy. Anisan’ny namotsipotsitra an’ireny ry Pety Rakotoniaina ary nametraka fitoriana, saingy izy no any am-ponja efa am-bolana maro tsy misy fitsarana izao, ka asa na famaizana noho ny kiana nataony ny antony na zavatra hafa mihitsy. Dia andeha hofohazina hatrany fa ilay filoha am-perinasa anie, ka manana dosie mombana aferana andramena sy fanangonan-karena tsy ara-drariny any amin’ny fitsarana. Rehefa mandeha ny kiana samihafa amin’ny zavatra afitsoky ny mpitondra, dia ambentin-tenin’ny sasany ny hoe: aleo izy hiasa ! Izay manakiana sy manelingelina na manome endrika ratsy ny fanjakana amin’ny tsy fahavahana olana, dia toa foretina sy rahonana an-kolaka fa efa miandry azy ireo ihany koa i Tsiafahy sy Antanimora, raha tsy hilaza afa tsy ilay filohan’ny mpianatra eny Vontovorona ny faran’ny herinandro teo. Tena mafy ilay fanjakana, saingy mafy amin’ny mizana tsindrian’ila sy herisetra hatreto, fa malemy amin’ny famahana ny olan’ny Malagasy. Samy manana ny manahirana sy ny mahamaika azy tokoa e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT