Edito

Fanadontoloana


  • Talata 07 Novambra 2017

Tsy afa-miala amin’ny fitsiokan’ny rivotry ny fanatontoloana tokoa isika ary dia tsy maintsy manaiky an’io ny rehetra na dia miezaka manda aza.


 Atao ahoana moa no ahafahana mandresy rafitra makadiry efa voavolavola an-jatony taona maro hametrahana fomba fijery tokan-jotra hamadika ny lalàn’ny natiora hivoana amin’ny tsy tokony ho izy ? Fanatontoloana ! Inona tokoa moa izany no tena hevitr’io teny io ? Toa hoe fampiraisam-bolo ny kolontsaina sy ny toekarena rehetra misy eto amin’izao tontolo izao. Tsy midika ho fanilihana ampahana kolontsaina fototra maromaron’ny firenena iray avy hatrany ve izany ? Hany ka ilay soatoavina napetraky ny Zanahary izay natao hanakambana ny lahy sy ny vavy ahafahana manome fitohizan’aina amin’ny alalan’ny fahazoana taranaka aza manomboka potehina amin’ny alalan’ny soatoavina voatr’olombelona izay manery ny mitovy fananahana hiditra amin’izay karazam-pikambanana izay ka tsy taranaka no azo fa ny fady no mifoha. Fanatontoloana sa fanadontoloana ? Fampiraisambolo sa safobemantsina ? Ny tena nahagaga dia tamin’ity fitondrana ity avokoa no saika nahatafidiran’izany firehan-kevitra hitan’ireo mpandinika ho mivoana tsikelikely amin’ny kolontsaina sy soatoavintsika izany. Mety tsy dia misy maharatsy azy ireny. Fa tena mahasoa sy afa-maniry eto amin’ity tany manankasintsara ity tokoa ve ?

J. Mirija  

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT