Edito

Fanadiovana ny tanŕna Aoka tsy hisy ambadika politika


  • Talata 15 Jolay 2014

Nosantarina omaly teny Manarintsoa atsinanana sy Andrefan’i Mananjara ny asa fanadiovana ireo boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra amin’ny alalan’ny tetikasa HIMO na asa tanamaro

Fiaraha-miasan’ny fitondrana foibe sy ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra izy ity. Haharitra 20 andro ary hampiasana olona an-jatony. Nisolotena ny filoham-pirenena ary nidina teny amin’ireo faritra iva ireo ny minisi-panjakana misahana ny fotodrafitrasa sy ny fanajariana ny tany Rivo Rakotovao, notronin’ny minisitry ny rano Ndahimananjara Johanita sy ny minisitry ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy Eléonore Johasy Raharisoa. Teny an-toerana ihany koa ny PDS Ny Hasina Andriamanjato. Nanamafy ny minisitra Rivo Rakotovao fa ho fanatanterahana ny fampanantenan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina eny amin’ny faritra iva, hanomezana azy ireo tontolo madio sy maha te honina ary mahasalama no anton’izao hetsika izao. 150 olona no hahazo tombontsoa mivantana amin’ny ity asa tanamaro ity isaky ny Boriborintany. Miavaka kely kosa anefa ny ao amin’ny Boriborintany voalohany (300 olona) sy ny Boriborintany fahatelo (200 olona). Mifantoka amin’ny fanadiovana ireo tatatra ny asa, indrindra fa ny lakandranon’Andriantany. Milaza fa faly amin’izao hetsika izao ireo mponina eny an-toerana. Misy ihany anefa ny manahy sahady fa sao lahy ka misy ambadika politika indray izao atao izao satria ho avy ny fifidianana Ben’ny tanàna atsy ho atsy. Heverina koa anefa fa mba tokony ho tonga saina sy handray andraikitra ny tsirairay ka tsy handoto fa hahay hikajy ny tontolo manodidina azy. Tsy manary fako etsy sy eroa fa mametraka izany amin’ny toerana efa voatokana dia ny lava-pako na ny dabam-pako izany. Tokony hanana an’io ny isan-tokantrano ary hanaja ny ora fanariana ny fako eny amin’ireo daba maro samihafa manerana ny tanàna. Tsy hafa fa ny olona manodidina ny lakandranon’Andriantany ihany no mandoto sy manentsina azy ka mahatonga ny fofona maimbo sy manahirana ny fanadiovana. Fotoana efa tokony hiovana izao amin’izay tsy hataon’ny sasany fitaovana politika intsony ity resaka fanadiovana ny tanàna ity. Mbola hitatra amin’ireo Kaominina manodidina an’Antananarivo Renivohitra ary hipaka hatrany amin’ny faritra moa izao hetsika izao, araka ny fantatra.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT