Edito

Fanabeazana sy fihavanana


  • Alarobia 10 Jona 2020

Fenitra napetraky ny demokrasia tandrefana izay lasa hita ho maodelin’ny fitondrana nifanesy teto Madagasikara moa ny fisian’ny atao hoe mpanohitra sy mpanohana ny fitondram-panjakana.

 

 

 

 

 Firehana voalaza ho natao ho isan’ny tokony ho hita ao anatin’izany koa ny atao hoe hery afovoany. Iny moa tsikaritra ho niha nanjavona rehefa niha mafy ny fanarahana tsy fidiny ny onjan’ny fepetra napetraka tao anatin’izao ady amin’ny Coronavirus izao. Miseho mazava kosa ankehitriny ny fifanoheran-kevitra samihafa manoloana ny fisafotofoton’ny raharaham-pirenena malagasy. Mazava fa sarotra amin’ny maro ny hiaiky fa voafehin’ny fitondram-panjakana ny fitantanana ny krizy ara-pahasalamana satria vao maika mitombo ny marary sy ny mamoy aina. Na ireo olom-boafidy sasany toy ny solombavambahoaka miaraka amin’ny fitondrana sasany aza nilaza ho nisafidy mihitsy ny tsy hiresaka momba an’io. Tsy hiresaka ihany koa momban’ny fikitihana vakom-pirenena kanefa dia mpitondra tenin’ny parlemantera volomboasary teo aloha. Na ilay olo-malaza ho tompon’ny tetika nahafahan’ny filoham-pirenena niakatra teo amin’ny toerany aza tsy sahy miloa-bava momba ity resaka Colisée eny anaty rova ity fa dia hoe mifampiresaha re! Midika izany aloha fa mizara ihany koa na dia ny fomba fijery ao an-dapa aza momba ireo lazaina fa tetikasan’ny fitondrana. Mpitantana tsy mitovy fomba fijery amina tanjona tiana ho tratrarina ve anefa hitovy lalana? Tsy ho samy hanana ny lalany hitondrany ny vahoaka koa ve? Efa niaraha-nahita ihany koa izany manoloana ny fanazavan’ny filoham-pirenena sy ny mpitondra tenin’ny governemanta mifanao atsimo sy avaratra matetika. Vokany, tsy mahalala ny tokony ombany ny ambalambahoaka ary zary tsy mivaky loha tanteraka ny fiainam-pireneny intsony mihitsy aza. Firy isan-jato moa izao no mananga-tsaina? Mitombo indray ny filana fanabeazana sy fihavanana satria miteraka fisaraham-bazana, hoy ilay raiamandreny manam-pahaizana izay, ny fanapahan-kevitry ny mpitondra. Hita ho mialangalana koa ny olom-pirenena satria raha tsy voaentana araka ny tokony ho izy ary mety mbola mahatsapa fa tsy tena tompony.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT