Mafana n heviny ny olom-pirenena, samy manana ny fomba fijeriny sy ny fahatakarany fifandirana ara-politika eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Samy manana nyy.
Ao ny mety manara-baovao sy ny manaraka raharaham-pirenena ihany, saingy toa tsy mivaky loha firy amin’izany. Zary fandre matetika aza ny hoe: tsy hampitombo na hampihena ny any anaty vilaninay izany. Io no isan’ny fositra sy manimba antsika satria mifandray sy mifameno foana ireo. Rehefa tsy mahay mitantana firenena ny mpitondra, tsy mahalala ny laharam-pahamehana sy ny tena filan’ny vahoaka, dia mazava fa mikorosy fahana ny fiainan’ny besinimaro. Midangana sandan’ny ariary, mihena ny fahefa-mividy, noho izany dia mihena mazava ho azy ny any anaty vilany raha handray ohatra mahitsy isika. Iray na in-droa ao anatin’ny 5 taona no misy fifidianana, saingy toa maro no tsy afa-mandinika sy mamakafaka lalina, fa jamban’ny kizarazara zavatra tsy mahavita taona, tsy afaka mijery sy mamisavisa lavitra, jambenan’ny ronono an-tavy,... Sanatria toa mihabado izany ny Malagasy, ka araraotin’ny mpanao politika sasany. Mila beazina, mila mifanabe, izay tsy voatery ho fahalalana tovozona any an-tsekoly ara-bakiteny izay eritreretin’ny maro, fa tena fanabeazana ho olom-pirenena tompon’andraikitra, mahay manavaka ny ratsy sy ny tsara fa tsy ho olona mora sasan’ny mpanao politika atidoha lava eto, hany ka izao no mahazo ny firenena. Izy fanabeazana izay no tsy ampy amitsika, ary mampahatsiahy ilay teny malazan’i Nelson Mandela fahiny hoe: “Education is the most powerful weapon which you can use to change the world”, izay azo adika tsotsotra hoe: ny fanabeazana no fitaovam-piadiana tsara sy mahery indrindra hahafahana manova ny tontolo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.