Edito

Fampihavanana


  • Alakamisy 18 Jona 2015

Dia miovaova marina ny toe-draharaha e ! Maresadresaka indray ingahy filoha raha toa ka mangingina ny depiote eny Tsimbazaza.

 


Efa mazava mantsy iny ny didy navoakan’ny HCC. Tsy azo ivalozana, tsy iadian-kevitra intsony na dia misy ihany aza ny mikasa hanao zavatra hafa. Samy manana ny paikadiny ny an-daniny sy ny an-kilany, samy manana ny eritreriny koa anefa. Asa raha mba ny fampandrosoana ny firenena tokoa no mibahana ao an-tsain’izy ireo na ny fiarovana ny seza. Ny mpitondra ambony sy manampahefana no tokony ho modely amin’ny fitondran-tena ka ho hita eo ny hifandaminan’ny filoham-pirenena sy ireo depiote, fa tsy hoe ny mpiasan’ny Air Mad sy ny mpitantana no ampirisihana hahita vahaolana haingana fa ireo mpitondra ambony kosa tsy mahay mifanaraka. Taratry ny mbola fisian’ny krizy eto amintsika ireny olana maro samihafa etsy sy eroa ireny, ary mbola mampitombina foana ny tsy maintsy hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena. Tsy hisy zava-banona eto raha mbola misy ny ahiahy tsy hihavanana sy ny alahelo miampy fikasana hamaly faty. Aoka hazava anefa fa tsy tokony hanakonana ny tsy mety atao ny fihavanana a !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT