Nahavelom-bolo ery ny naheno ny minisitra iray nilaza farany teo fa misy fitenenana izay manao hoe
“Ireo fahavalo no tena namana tsara indrindra” na koa hoe “les ennemis sont les meilleurs amis”, hoy ny frantsay. Antony, hoy ny fanazavany izay, dia ireny no tena sahy manitsy sy miteny ny tena zava-misy. Fehezanteny goavana tsikaritra ho maneho fahavonan-kihaino ny hafa izany saingy rehefa maheno ny fitarainana maro samihafa amin’ireo sehatra tantanan’ireo minisitera misy eto amin’ny firenena amin’ny ankapobeny anefa dia mampametra-panontaniana ihany hoe hatraiza tokoa ary izay fampiharana ny fihainoana ny hafa izay? Efa niaraha-nahita teo aloha, ohatra, ny tsy fandairan’ny fibaikona fotsiny ireo mpivarotra entana ilaina an-davan’andro hampidina ny vidin’entany saingy mbola izay hatrany anefa no lohalaharana amin’ny stratejia hampiharin’ny governemanta hatramin’izao. Hatraiza ilay fanaraha-maso sy fanampiana ireo mpamokatra sy mpivarotra hahafahana mitazona ny vidin’entana tsy hidangana? Milaza ireo solontenam-panjakana sasany fa amin’izao vanim-potoana izao dia laharam-pahamehana daholo ny zava-drehetra, indrindra, aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Ekena saingy mila tadidiana koa anefa fa misy ny atao hoe ambonin’ny laharam-pahamehana na ilay antsoina hoe “priorité des priorités”. Ambonin’izany ve, ohatra, ny fanaovana kianja manara-penitra sy filomanosana olimpika raha mitaha amin’ny kere sy izay fidanganan’ny vidim-piainana izay. Raha tena mihaino ny firehan-kevitra rehetra tokoa ary ny fitondram-panjakana, firifiry moa izay voaantso teny amin’ny sampana miandraikitra ny resaka heloka an’habaka sy mpanao gazety sy tsy mitovy fomba fijery amin’ny fitondrana nampanantsoina na nadoboka am-ponja tao anatin’ny 2 taona izay. Fampiharana sisa no andrasana raha mba tena hihaino tokoa amin’izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.