Edito

Fampiesonana avo lenta


  • Alakamisy 07 Jolay 2016

Manomboka mazava ny resaka ankehitriny fa sangodim-panina sy fampiesonana no betsaka, fa raha ny tena marina dia paikady hafa indray hanadalana ny saim-bahoaka mba hanadinoany ilay fipoahana


 nahafatesana sy naharatrana olona maro be teny Mahamasina tamin’ny 26 jona izao savorovoro momba ny lalàna mifehy ny fifandraisana izao. Zava-dehibe ny fahalalahana maneho hevitra ary tsy azo ekena ny teti-dratsy maloto hifehezana ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety eto, saingy tsikaritra ho misy kajikajy ihany ao anatin’ireo tranga ireo. Inona ny antony mazava sy mitombina tsy maintsy handaniana an’io fehezan-dalàna io tampotampoka teo, kanefa 2 volana nivoriana ny depiote tsy hita popoka teny Tsimbazaza ilay izy ? Toy io foana no resaka amin’ny haino aman-jery, any anaty gazety sy eny rehetra eny, tahaka ny efa tsy misy ny asa fampihorohoroana teny Mahamasina tamin’ny alahady 26 jona. Ny resaka Beroroha moa dia nangina tanteraka teo satria nambara fa maty ilay lehiben’ny dahalo niampy malaso roa nanafika ilay bilomalaza nitatitr’olona. Ny filoham-pirenena ao anatin’izany rehetra izany mitety tanàna sy mitokana zava-bita ary manao be kabary indray. Dia sangodim-panina tahaka izany foana ve no hiainana eto e ?

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT