Edito

Fampiesonana avo lenta


  • Alatsinainy 06 Jolay 2015

Ka inona ary ny vahaolana e ? Io no fanontaniana am-bavan’ny maro ka miandry valiny ankehitriny taorian’ireo sangodim-panina politika teto amin’ny firenena. Naongana ny filoham-pirenena saingy navotan’ny HCC

  . Naongana ny governemanta, tsy voaongana satria tsy tratra ny fetr’isa. Ny eny amin’ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza no manao izany rehetra izany satria misy ny fandikana tsotra izao ny lalàmpanorenana sy ny tsy fahaiza-miasa, hoy izy ireo. Mbola eo ihany anefa ingahy filoham-pirenena ary mihevitra azy ireo mbola tsara toerana ny praiminisitra sy ireo minisitra. Tsy misy resaka mihitsy ny hoe fanovana ny mpikambana ao anatin’ny governemanta, fa dia milaza ho nahatratra ny 94%-n’ny tanjona napetraka tao anatian’ilay 100 andro ireo minisitra ka noho izany dia mijanona amin’ny toerany. Asa koa izay ho tohin’ny fifampiresahana eo amin’ny filohan’ny repoblika sy ireo depiote nanongana azy ary mbola niketrika ny fitsipahana ny governemanta ihany koa. Tahaka ny miverina any amin’ny vanim-potoana nandrafetana ny tondrozotra mihitsy isika izao ka mbola mifamolaka tsara aloha ny ankolafy tsirairay avy. Rahoviana no ho vita ilay « pacte de responsabilité » ? Dia ahoana ny fanatanterahana azy ? Eo foana mantsy no olana. Ny fehin-kevitra nivoaka avy amin’ny fampihavanam-pirenena notarihan’ny Ffkm izao efa tsy nisy fa dia nampirimina tanteraka. Nanasonia azy iny anefa ny filoham-pirenena, dia izao izy mety hanasonia fifanarahana iray hafa indray. Sao dia mba fampiesonana fotsiny ary no atao eto e !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT