Edito

Fampiesonana 2030 !


  • Talata 06 Febroary 2018

Ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina no nilokaloka fa handray an-tànana ny fampihavanam-pirenena, saingy tahaka ilay hoe telo volana dia voavahako ny delestazy tamin’ny propagandy hatrany no niseho. Izy sy ny antokony no mirehareha fatratra amin’ny fahefana eo am-pelanantanana, ka migafy etsy sy eroa.


Ny famotehana ny hafa no heverina, fa fomba mahomby sy tsara indrindra hahafahana mifikitra eo amin’ny fahefana, mba hahafahana manatanteraka ilay vina “Fisandratana 2030” indray hono e! Tokonana aza tsy afaka ka rindrina no hihanihana, hoy ny rehetra eo anatrehan’ny hadedahana sy fampanantenana poak’aty atao amin’izao fotoana izao. Raha sitraka sy dokadoka no nantenain’ny HVM, dia vely kanonta kosa no setriny avy amin’ny vahoaka. Velona indray ny hoe “Fampiesonana 2030” eo anatrehan’ity ambara fa vina hampisandratana an’i Madagasikara ity. Amin’ny fomba ahoana tokoa moa no inoan’ny Malagasy teny ny olona efa tsy in-dray, tsy in-droa, tsy in-telo namitaka sy nampiesona azy? Mandeha ny propangady dia miezinezina ny hoe: telo volana dia voavahako ny delestazy. Nanomboka tany amin’ny kabary tamin’ny fihaninanana, dia ny efa ny an’olona no nadika, izay manaprofo fa tsy manana ny tena vina fa miaina amin’ny hala-tahaka,… Atao mahagaga ve raha minia manadino ny tena anaran’ny filoha anketriny ny vahoaka, ka nametaka ilay anaram-bositra iray, izay hatramin’ny zazakely vao mahay miteny aza mahay azy?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT