Edito

Fampiasana fanafodim-bibikely Mahavoa ny aretina homamiadana


  • Alakamisy 05 Febroary 2015

Azo sorohana tsara ny homamiadana, hoy ny lohahevitra nankalazana ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ity aretina anisan’ny mandripaka olona betsaka manerantany ity omaly 4 febroary. Manohana io fomba fijery io ny

«Union Malagasy Contre le Cancer». Fepetra efatra no takiana hisorohana ny homamiadana dia ny fiainana ara-pahasalamana lavitry ny sigara, ny toaka miaraka amin’ny fampiasam-batana, ny fitiliana mialoha ny aretina, ny fisitrahana ireo zo ara-pahasalamana ary ny fanomezana fiainana mendrika kokoa ho an’ireo efa miaina ity areti-mandoza ity, hoy ny filohan’ny fikambanana Rajaobelison Dinamalala. Miompana amin’ny fisorohana izay indrindra ny asa sy andraikitra sahanin’ny UMaCC tao anatin’ny herintaona niorenany ka anisan’izany ny fitsidihana ireo marary teny amin’ny HJRA. Malagasy 2 alina no voan’ny homamiadana raha manodidina ny 1.500 hatramin’ny 1.800 isan-taona kosa ireo tonga mizaha fahasalamana ka vehivavy ny 50% mahery amin’izany, araka ny fampitam-baovao nomen’ny tompon’andraikitra misahana ny sampandraharahan’ny «Oncologie». Nisongadina tamin’ny fanazavana ihany koa fa mahavoa ny homamiadana ny fampiasana ireo karazana fanafody famonoana bibikely. I Madagasikara izay mampiasa izany amin’ny fiadiana amin’ireo andiam-balala manimba voly efa nanomboka tamin’ny taona 2012.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT