Edito

Fampianaran-diso


  • Zoma 24 Martsa 2023

Any amin’ny sehatry ny finoana moa no matetika andrenesana ny voambolana hoe fampianaran-diso. Ho an’ny Kristianina, ohatra,

dia fampianaran-diso ny fampianarana finoana tsy mifototra amin’ny maha Tompo an’I Jesoa Kristy. Ho an’ny Miozolimanina dia fahotana toy izany koa ny fandikana izay ambaran’ny Korany. Manana izay heveriny ho fampianaran-diso koa ny finoana hafa ankoatran’ireo, toy ny Boudisma, ny Indoisme, ny Bahaisma sy ny ambiny rehetra. Aty amin’ny politika koa anefa, ary io no mbola adinontsika hatramin’izao na dia ambaran’ny maro amintsika foana aza hoe tsy mahay maka lesona isika dia ny fampianaran-diso nitantanana ity firenena ity hatrany amin’ny repoblika voalohany hatramin’izao. Rehefa diso na tsy nisy fitohizany ny politika tokony hampandrosoana firenena iray, na tiana na tsy tiana, tsy maintsy miseho, na amin’ny ampahany io na manontolo, ny tsy fahazakan’ny mpitondra ao amin’ilay firenena ny tsy fahazakany fahefana. Tafiteny ny niafarany ny filoham-pirenena voalohany, Philbert Tsiranana, hoe “Tsakitsaky, zato, arivo maty, tsy raharahako!”. Niala tsy lera teo amin’ny fitondrany avy eo no niafarany. Niteny koa taty aoriana ny amiraly, “Tsy mbola teraka ny olona tonga handimby ahy eto amin’ny fitondrana.”, nipoaka avy eo ny raharaha 2002, haintsika ny tantara. “Tsapao aloha ny herinareo!”, hoy koa taty aoriana ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana, dia iny izy niongana ny taona 2009 iny. “Misy mi-pipi am-pataloha mihitsy vao mahita ahy mitsangana!”, hoy indray io ny filoham-pirenena ankehitriny. Dia fifampihatsiana sy fanehoan-kery toy izany foana ve izany no hitaizana ity vahoaka malagasy ity? Tokony ho gaga ve izany isika izao raha misy mpianatra mandoro olona velona tany Toliara? Misy mpianatra mandrava sy manao sinto-mahery tany Toamasina? Mpianatra mpikaroka amin’io no resaka. Misy mpianatra manendaka amin'ny alina any Fianarantsoa. Ny mpianatra ao Mahajanga mandoro ny trano hipetrahany. Ny mpianatr’I Vontovorona mitifitra flesy ny mpitandro filaminana no sady manimba fananan'olona satria misy fampianaran-diso miha lalim-paka eto.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT