Voaporofo manerantany fa ny fananganana ireo karazana fotodrafitrasa no nitarika fampandrosoana teo anivon’ireo firenena matanjaka. Ireo firenena ambara fa misongadina ankehitriny ihany koa dia resy lahatra fa vahaolana iray tsy azo hodian-tsy hita ny fananana fotodrafitrasa maro.
Efa nahatsapa izany isika teto Madagasikara hatramin’ny fiatombohan’ny taonjato faha-21 ary efa nandrafitra fandaharanasa maty paika mifototra amin’izay ny mpitondra fanjakana lanim-bahoaka tamin’izany. Nisongadina ary niezaka nampahafantatra ny maha zava-dehibe ny fanamboaran-dalana, ohatra, ny fitondrana Ravalomanana izay nitsinjo lavitra fa hitera-bokatsoa ho an’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy io tetikasa iray goavana io. Tsy mijanona ho tombony ho an’ny mponina an-drenivohitra fotsiny mantsy izy io fa vahaolana maharitra ahafahan’ny Malagasy tsivakivolo mifamezivezy eo amin’ny sehatra rehetra misy eto amin’ny firenena toy ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny varotra, ny fizahantany sy ny lafiny maro hafa. Miaina sy mahita ny fatiantoka vokatry ny tsy fisiana na faharatsian’ny lalana rahateo ny mpampiasa azy mivantana tao anatin’izay 5 taona naharetan’ny krizy izay ary vaky vava fa tena ilaina ny lalana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.