Miroso mankany amin’ny fifidianana ben’ny tanàna isika amin’izao fotoana izao. Ny ben’ny tanàna rahateo no sokajiana ho rafitra ara-panjakana akaiky ny vahoaka indrindra, raha ny lalàna sy ny fitsinjaram-pahefana satria hatreto mbola tsy tafiditra ao anatin’ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana ny fokontany.
Tokony ho kitro hifaharan’ny fandrosoana ny eny ifotony, ary izay no ilàna ilay antsoina hoe: fitsinjaram-pahefana tena izy. Tsy vitan’ny resaka ambony latabatra na ezahina resahina voizina io, fa tena mila asa sy finiavana lehibe, indrindra fa ho an’ireo mpanapa-kevitra eto amin’ny firenena. Raha vao miresaka an’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy, dia aleo tsiahivina foana hoe: ny tantsaha, ny eny ambanivohitra, ny any anaty fokontany lavitra andriana,… no manome ny 80% araka ny antontan’isa. Tena mipaka any amin’ireo tokoa ve ilay ambara fa fampandrosoana haingam-pandeha tsy mbola nisy tao anatin’ny 58 taona voizin’ny filoha ankehitriny ? Moa ve ny fitsinjaran’ny volam-panjakana hampiodinana sy hampandrosoana ny firenena tena mipaka eny ifotony izay tokony ho kitro hifaharana sy hiaingan’ny fampandrosoana ? Ny hita raha tarafina tany amin’ny 10 taona lasa sy mbola aseho ankehitriny dia fotodrafitrasa na hetsika iray hanintona, mamirapiratra sy manaitra jerena no atao hoe fampandrosoana. Diso lasa aloha loatra angamba ny mpitondra amin’ny heveriny fa fandrosoana fa tsy arakaraka ny tadiavin’ny vahoaka aminy. Mety ho lojika izany satria tsapa sy tsikaritra fa toa tsy niaina sy nandalo izany fiainana maha tantsaha sy tambanivohitra izany ka hahalala ny tena filan’ny vahoaka maro an’isa ny filohantsika ankehitriny. Toa fampandrosoana diso paika ! Sa diso izany ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.