Edito

Fampanantenana manaraka indray ary !


  • Talata 09 Aogositra 2022

Mampametra-panontaniana ankehitriny hoe mbola azo iandrasana asa ve izao fitondrana mijoro izao? Asa fampandrosoana mitondra fahasoavana ho an’ny vahoaka,

arak’ilay voalazana olompirenena iray izay eto no tiana ambara fa tsy ilay ambaran’ny mpanara-baovao matetika hoe “werawera”. Tsy ilay mahatonga fitenenana hoe “any amin’ny tsy mivonto no manaintaina.” Ekena tsinona amin’izao fotoana izao izany fa misy ny kianja manara-penitra, hopitaly manara-penitra, EPP, CEG, lisea manara-penitra sy izay “manara-penitra” hafa rehetra. Manaraka ny fenitra iraisampirenena tokoa ve anefa sa manaraka ny fenitra faritan’izao fitondrana mijoro izao? Niara-nahita tsinona ireny ny fanadihadiana momba ireo toeram-panabeazana sasany lazain’izao fitondrana izao fa manara-penitra nefa mitete ny tafo, manara-pofona ny toeram-pivoahana. Niaraha-nahita koa ny Kianja Barea tondraky ny rano indray maka sendra avy orana iry! Ireny aloha izany ireo hita mirentirenty an-tsary any amin’ny pejin-tambazotran’ny fiadidiana ny repoblika sy ireo minisitera samihafa any fa etsy ankilany dia vao mainka milentika lalina anaty fahantrana aloha izao ny firenena. Miaina anaty fahantrana lalina ny 81%n’ireo mponina. Maro ireo fampanantenana mbola tsy tontosa toy ny Tanamasoandro, Miami, Flyover, sambo miisa 20 mitondra filana an-davan’andro, fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny maro hafa izay toa hifangaroan’ny nofinofy sy ny azo tanterahana ihany nefa tsy hita taratra hatreto ny politika mazava hahafahana manatanteraka azy. Lasa mahaliana ho azy sy miteraka vazivazy ankehitriny ny hoe inona indray ny fampanentanana manaraka na dia efa herintaona sisa no hahafahan’ilay fitondrana mijanona eo? Efa misy olompirenena dia tsy mivonona intsony afa-tsy ny hihaino izay fampanantenana manaraka izay na dia sarotra aza ny hino fa mbola ho tanteraka ihany izany. Fampanantenana manaraka indray ary.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT