Edito

Fampanantenana efa ho lava !


  • Talata 16 Jona 2020

Mirarakopana hatrany ny fampanantenan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina isaky ny fotoana hanaovany valandresaka ho an’ny vahoaka Malagasy. Tena betsaka sy tsy tambo isaina, ary matetika misy zava-baovao isaky ny tapa-bolana.

 

 

 Tsy vao izao io fa efa nisy hatrany amin’ny 11 taona lasa, toy ny ny tramway nambara fa efa any anaty sambo, ny fananganana ozinina mpanamboatra simenitra ka ho 14 000Ar ny iray lasaka,… Raha ny tato ho ato, dia iray volana na iray volana sy tapany angamba izay ilay nilazana fa hizarana solosaina ny isam-pokontany hanaovana ny fanisam-bahoaka, ary nahazoana famatsiam-bola avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena io. Fokontany taiza sy taiza avy no efa nahazo? Niova làlana angaha ny vola satria misy rahateo ny tatitry ny mpamatsy vola ankehitriny fa firenena 22 eo aty Afrika no manodinkodina ny fanampiana? Tsara, mety, ilaina ny fampanantenana,… saingy maro aloha no tsy tanteraka. Tena maro ny zavatra ambara fa hovitaina amin’ity taona ity, saingy ny fiakaran’ny harin-karena faobe ho an’ny firenena aloha, dia latsaka lavitra amin’ny noheverina satria 0,8% raha manodidina ny 5% eo no tanjona nofaritana tany aloha. Ampiasaina ny voambolana sy sora-bola, dia toy ny zava-baovao be no resahina, kanefa toa ny eo ihany no avadibadika, raha ny hoenti-manana. Firenena iaraha-manana ity, ka ny irariana dia ho vita soa aman-tsara ireny fampanantenana ireny. Hoentina am-bavaka mba ho voajery sy voatsinjo tokoa ny isaky ny distrika, ary ny irariana mba tena hizara sy hiparitaka ny fitsijaram-pahefana sy ny fanatontosana ny hafa, fa tsy hijanona ho kabary hoenti-mampalaza olon-tokana. Ho avy ny tetikasa “kaly mora” na “kaly tsinjo” toa mampahatsiahy ny tany amin’ny Fitondran’ny Amiraly, fa miandrandra ihany koa ny rehetra mba hisy ny tena vahaolana ara-tsosialy mipaka amin’ny rehetra, toy ny fidinan’ny vidin-tsolika, fidinan’ny vidin-jiro, fidinan’ny vidim-piainana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT