Mbola tena ratsy endrika eo imason’ny sehatra iraisam-pirenena sy ireo piara-miombon’antoka any ivelany i Madagasikara ankehitriny.
Tsotra ny antony : tsy mazava ny tena politikam-pampandrosoana tian’ny fitondram-panjakana ampiharina. Tsy voafehy ny lafin-javatra maro eto an-toerana toy ny kolikoly, asan-jiolahy sy asan-dahalo, trafika isan-tsokajiny. Tamin’ny fomba firesaka ara-diplaomatika no nanambaran’ny vondrona eoropeanina nandritra ny fihaonana farany teny Ivandry fa ratsy tantana ny firenena Malagasy ary na ny olon-tsotra aza efa mahatsapa an’io. Tsy vitan’izay fa dia mbola mamaky ady amin’ny mpandraharaha ihany koa amin’ny alalan’ny fampitomboana ny hetra alaina eny amin’ny fadintseranana ny fanjakana. Efa leon’ny miaina ve e ? Raha sempotra na latsaka an-katerena sy sahirana ara-bola ireo orinasa ireo ka manomboka mandroaka mpiasa dia mizotra tsimoramora any amin’ilay fipoahana ara-tsosialy efa natahorana tamin’ny 2013 ny eto. Hanampy an’io dia tsy aharaka ny fifaninanana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ihany koa ny entana avy aty Madagasikara, ho vitsy mpanontany, ho vitsy mpividy dia hihena avy hatrany ny vola vahiny ho azontsika. Izay no hitarika ny fihenan-danjan’ny vola Ariary dia hidangana ny vidin’entana sy ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny. Asa raha mba mandinika lalina ihany vao manapa-kevitra ny manampahefana eto fa efa tena famonoana ny Malagasy anie izao misy izao e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.