Famitaham-bahoaka tsy nisy 60 taona !

Daty iray isan’ny nanamarika ny fiainam-pirenena nandritra ny toe-draharaha 2009


  • Alatsinainy 17 Martsa 2025

andron’ny 17 martsa ! Kihon-dàlana iray nahatanterahan’ny fanonganam-panjakana tamin’izany.

16 taona katroka aty aoriana isika ! Nanao ahoana ny fiainam-pirenena ? Nandroso ve i Madagasikara ? Resy ve ny jadona sy ampihimamba ? Manjaka ve ny demokrasia ? Mandry fahalemana ve ny tany ? Milamina ve ny seha-pihariana samihafa ? Zakan’ny rehetra ve ny vidim-piainana ? Manana asa ve ny tanora ? Tsia avy hatrany ny valiny ! Ny nolazaina tsy nety tamin’izany no averina avo folo na zato heny, ary zary lasa fialana bala ny hoe : ny tamin’ny fitondran’i ranona na i ranona aza tahaka izao sy izao. Hoentina any amin’ny fifaninana amin’ny ratsy ve ny firenena ? Aiza ilay lokaloka natao tamin’ny 2009 sy nandritra ireo propagandin’ny 2018 sy 2023 ? Miharihary hatrany fa famitaham-bahoaka mbola tsy hita tao anatin’ny 60 taona no nitranga sy mbola mitranga raha tarafina amin’ny fihemoran’ny firenena amin’ny lafiny maro : toekarena, tahan’ny fahantrana, kolikoly, demokrasia, trafikana harem-pirenena,… Zary mpitondra mpanilika ny tsy fahombiazana no misy na dia efa miditra 15 taona nitantanana aza. Fanamarinan-tena sy fampanantenana poakaty no betsaka fa ilay lokaloka hamadika an’i Madagasikara ho sangany ho sangany aty Afrika aloha toa mbola mijanona ho revin-gadra ! Tena mbola lavitry ny kitay ny afo ! Asa izay niafarana teto raha ny mpitondra ankehitriny no teo amin’ny fanoherana amin’ny toe-draharaha tahaka izao ? Tena rehefa ny hafa tokoa no misioka dia vorondolo fa rehefa izy ireo dia voromanga ! Mila mifoha ny Malagasy!!!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT