Edito

Famisavisana ny ratsy !


  • Zoma 24 Aogositra 2018

Mazava io ny isan’ny kandida hirotsaka ho filoham-pirenena, ary andrasana indray ny antsapaka momba ny filaharan’ny kandida ao anaty bileta tokana. Raha ny habetsany aloha,


 dia tena mahavelom-panantenana ihany hoe maro tokoa kay ireo manam-piniavana hitondra ny fahaiza-manaony amin’ny fitantanana ity Madagasikara efa mitolefika fa tsy mandohalika ity. Tsy hoe maniry loza fa ny famisavisana ny ratsy tokoa angamba no hiavian’ny soa, fa toa mamofompofona korontana sahady satria ety am-piandohana, dia tsikaritra sahady ny ahiahy sy ny famohazan’ireo kandida sasany ny heveriny, fa tsy mety ao anatin’io fikarakarana sy fitantanana io fifidianana io, indrindra fa ny resaka lalàna. Mazava izany, fa toa tratry ny tian-kano tsy tian-kano izany ny sasany, ka na nikihana aza tsy afa-nanoatra, ka dia aleo manaraka ny onjany eny e ! Asa lahy any amin’ny voka-pifidianana na hanaiky mora izany tokoa ireo kandida maro be, indrindra moa fa ireo mamafy vola tsy toko tsy forohana. Toa efa misy sahady mantsy no manangam-bovona sy manao don-tandrika, fa tena be mpanohana, hono, tamin’ny propagandy mialohan’ny fotoana natao ka mendrika ny ho lany. Adinony angaha fa samy mahay maka mpanakanto anie e ! Samy mahay mamory vahoaka, saingy ny omba hitondrana izany sy ny zavatra miseho ao anatiny no tsy mitovy. Raha misy ny malaza ho mpizara vola hividianana safidim-bahoaka,  dia ao ihany ny mandeha amin’ny fahitsiana, ka ny vahoaka no manantona sy mikarika satria izy no hantenaina hanasoa ny firenena efa nalalaka ny làlana nakany amin’ny fandrosoana, saingy nadaraboky ny mpanongana sy mpandroba, izay toa ambodia mitafy hodi-janakondry amin’izao, ka mampanantena lanitra sy paradisa indray e!

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT